Vita ny 7 desambra teo ny asa fanarenana ny lalana vonjimaika, fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy (PK 537+329) sy any amin’ny tetezan’i Mahavavy (PK 568+720). Samy any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ireo, ka nanatanteraka azy ny orinasa Colas. Tsiahivina fa tapaka ny tetezana roa vokatry ny rivodoza farany teo, tamin’ity taona 2024 […]
Toe-karena
Masomboly : Fiaraha-miasa amin’i Korea
Manohana an’i Madagasikara amin’ny famokarana karazana masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona koa ny hahafahan’i Madagasikara manondrana vokatra any ivelany. Nampahafantarina ny 6 desambra teo ny fanombohana ny tetikasa « Knowledge Sharing Program » (KSP), ho an’ny taona 2024-2025. Iarahana amin’ny Ivontoerana Institut KDI, rantsamangaika eo ambany fiahian’ny […]
Fiompiana antsokosoko: Varika miisa 3 tratra tao amin’ny toeram-pialamboly eny Itaosy
Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana. Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 desambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana […]
Fihaonamben’ny Ceo Summit 2024 : Voafaritra ny paikady hananganana tsena iombonana
Fantatra, omaly, nandritra ny famaranana ny fihaonamben’ny mpandraharaha, “Ceo Summit”, andiany voalohany, ireo tolo-kevitra hananganana ny tsena iombonana aty amin’ ny ranomasimbe Indianina. Vahin-kevitra miisa dimy, vato fototra hanatsarana ny toekarena iombonana sy ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana aty amin’ny faritra. « Hapetraka ny label Made in Indian Ocean, hanomezan-danja […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly ny asa fandavahana lavadrano. Tanjona ny hanampy tosika ny famatsian-drano amin’ny faritra eto Antananarivo sy ny manodidina. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa mitentina 4 995 019 000 Ar ny teti-bidin’ireo asa. Mbola hiverina ao Antsiranana ilay sambo lehibe « Norwegian […]




