Tsy afaka manomboka ny famboleny ny tantsaha mamboly vary vakiambiaty satria tsy milatsaka ny orana. Vokany, mihalafo ny vidim-bary ho an’ny mpanjifa. Tao anatin’ny andro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 3 700Ar ny kilaon’ny vary Makalioka eny an-tsena raha toa 3 000Ar izany teo aloha. […]
Toe-karena
Fitaterana ana habakabaka: azo antoka ary atokisan’ny mandeha ny lanitr’i Madagasikara
Sehatra iray hisintomana mpizahatany ho tonga eto amintsika ny fitaterana ana habakabaka. Efa nametraka ireo rafitra sy ny fomba ahafahana mifamezivezy amin’ izany ny Aviation civile de Madagascar (ACM). « Atokisan’ ny mpandeha sy ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka iraisam-pirenena ny lanitr’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny […]
Fifanakalozana ara-barotra; Voafaritra ny paikady hampiharana ny Zlecaf
Voarafitra avokoa ny piakady nasionaly hampiharana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Nisy ny fakan-kevitra tamin’ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana isan-tsokajiny manerana ny Nosy, nentina nandrafetana izany. Nanohana tamin’ ny famolavolana ity paikady ity ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Natolotra ny minisitry ny Fampiroboroboana […]
Fifanakalozan-kevitra: Apetraka ireo paikady hisorohana ny krizy
Voaresaka nandritra ny hetsika « Ceo Summit », ny herinandro teo, ny lohahevitra momba ny Fametrahana mialoha ny paikady hisorohana ny krizy. Nitondra fanazavana mahakasika ireo fanamby sy fomba hamahana ireo olana misy amin’izao fotoana izao ireo manampahaizana sy mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany. « Ilaina ny hametrahan’ny fitondram-panjakana politika mifanaraka […]
Fisitrahana angovo : Mitondra hazavana ireo vehivavy injeniera
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ambanivohitra ny fisitrahana herinaratra. Mampivelatra ny toekaren’ny mponina sy ny fahaiza-manaony izany. Kihon-dalana lehibe manamarika ny fampiroboroboana ny herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra ny fandaharanasa National Barefoot College (PNBC). Miara-miasa amin’ireo mpisehatra ifotony mba hisitrahana ny herinaratra izy ireo. Miara-miombon’antoka aminy ny komitim-pahazavana avy […]




