Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Madagasikara kanefa tsy mitsaha- miakatra ny vidin’izany eny an-tsena. Mandroso vahaolana amin’ny fanafarana katsaka ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana. Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana. Tsy ampy sady lafo ny katsaka eny an-tsena ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ny tantsaha. Vokany, nahena hatramin’ny 50% ny biby fiompiny […]
Toe-karena
Ady amin’ny doro tanety: nahazo tohana 120 tapitrisa Ar ny MNP
Famatsiam-bola entina hiatrehana ny afo, mitentina 120 tapitrisa Ar, no azon’ny “Madagascar National Parks (MNP)”. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa niarahany tamin’ny tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-java-mananaina eto Madagasikara (FAPBM), omaly, teny amin’ny biraon’ny MNP, Ambatobe. Napetraka ao amin’ny tahirim-bola maika ity famatsiam-bola ity. Tanjona ny hampihena ny […]
Profesora Ratsimbazafy Jonah : nahazo titra « Docteur Honoris causa »
Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, manampahaizana fantatra amin’ny fiarovana ny varika eto Madagasikara. Tsy mitsahatra manohy ny asa fikarohana ny tenany hatramin’izao ka nanolorana azy ny titra « Docteur Honoris causa », teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alarobia teo. Mpampianatra mpikaroka amin’ireo Oniversite eto an-toerana izy. Filohan’ny « Groupe d’étude et […]
efa zatra ny mpanjifa : miverina indray ny fahatapahan-jiro
Tsy voavaha ny olan’ny famatsian-jiro. Miverina indray ny fahatapahana amin’ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina. Mampimenomenona ny mpanjifa ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny izay niverina indray tanatin’ny andro vitsy, nanomboka ny alahady teo. Betsaka ireo fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina no mitondra faisina vokatr’izany fahapahan-jiro izany. Tapaka tsy […]
Fihariana : tanora 221 nahavita fiofanana
Fomba iray anisan’ny mahomby sy mampitombo ary manatsara ny tontolon’ny famokarana ny fanofanana tanora ho lasa matihanina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 221 mianadahy ireo nahavita fiofanana tao amin’ny « Fiompiana sy fambolena malagasy Norveziana (FIFAMANOR) », tamin’ny alalan’ny tetikasa « Proagro Youth ». Nanaraka lalam-piofanana amin’ny famokarana sy […]