Voavaha ny olana ara-bolan’ireo orinasa mpanao lalana, nanatanteraka asa tamin’ny alalan’ny tsenambaro-panjakana . Maherin’ny 28 miliara Ar ny vola naloa ho an’ireo orinasa 292 nahafeno ny fepetra. Mitentina 28 107 610 624,80 Ar ny totalin’ny vola naloa tamin’ireo orinasa nanao lalana. Hatramin’ny talata teo, nefaina avokoa ny volan’ireo orinasa miisa 292 eny anivon’ny […]
Toe-karena
Savonnerie Tropicale : nodimandry Ramaroson André
Misaona ny tontolon’ny indostria malagasy. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “savonnerie tropicale”, Ramaroson André. Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ity mpandraharaha ity. Mpamaky lay amin’ny fananganana orinasa mpanao savony teto Madagasikara izy. Mpandraharaha niady hatrany ho an’ny fampandrosoana ny orinasa malagasy. […]
Fampandrosoana lovain-jafy : tranon’ny diplaomasia maitso
Miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), sy ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Rindra », ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Entina hiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fiaraha-miasa. Manana tanjona hametrahana fandrindran’asa hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera. Hanatanterahana izany ny tohana […]
« Drafitrasa Fia mora » : Jifaina 4 000Ar ny kilaon’ny trondro
Mbola ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano noho ny tsy fahefa-mividy sy ny antony samihafa. Natomboka eto an-drenivohitra sy haparitaka amina faritra maro ny drafitrasa « Fia mora », hanovana sy hampirisihina ny fihinanana trondro. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ilay drafitrasa « Fia mora » hanampiana sy hampirisihina ny Malagasy hihinana trondro. Vidiana […]
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : nahazo vary milanja 1 600 t ny malagasy
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ ny governemanta japoney, ho tombontsoan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny drafi-pampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny tetikasa nifanaovan’ny governemanta roa tonta sonia, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla sy ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Abe Koji. Toy ny isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny […]