Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny hetsika “foire internationale de l’économie rurale de Madagascar” (Fier-Mada) andiany faha-24, atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. “Olom-baovao avokoa ny 60%-n’ ireo mpandray anjara”, hoy ny […]
Toe-karena
Vao vita kely ny fararano : niakatra ho 3 000 Ar sahady ny kilaon’ny vary gasy
Fotoana tokony mbola ao anatin’ny mahamora ny vidim-bary izao aogositra izao. Efa miakatra tsikelikely sahady anefa izany, ary ahina ny amin’ny maitsoahitra. Midangana koa ny vary « stock », afarana avy any ivelany. Tena mamatsy vary ny eto an-drenivohitra ny avy any Alaotra sy ny any Bongolava ary Anjozorobe. Manomboka […]
Marofatike Maromiandra : manohana ny tetikasa Base Toliara hatrany ny mponina
Tsy very fanantenana ny mponina ao amin’ny fokontany Marofatike, kaominina Maromiandra, distrika Toliara II. Mandalo ao amin’ity tanàna ity ny lalana mankany amin’ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara, izay mihantona, ankehitriny. Nisaotra ny sefo fokontany, Rambeloson Mahioky, fa manana finoana izy ireo ny hisokafan’ny tetikasa, satria maro ny tombontsoa azo tany […]
Fier-Mada andiany faha-24 : manomboka anio hatramin’ny alahady
Tafiditra anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny hetsika « Foire internationale de l’économie rurale de Madagascar (Fier Mada) 2023 ». Hatramin’ny taona 1999, atao isaky ny voalohan’ny volana aogositra ny hetsika. Maharitra dimy andro ny fier Mada, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka, ny 2 hatramin’ny 6 aogositra […]
GEM : mitaky ny hanokafana haingana ny Cnaps
Hentitra ary mitaky tsy misy fepetra ny hanokafana haingana ny Cnaps ny vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa (GEM). Raisin’izy ireo ho fanaovana takalonaina ny mpiasa mpandoa latsakemboka ny fikatsoan’ny raharaha. Nampiaka-peo manoloana ny raharaha eny anivon’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny Groupement des enterprises de Madagascar (GEM). Mitaky […]