Tsy mitsaha-mitombo ny fifamoivoizan’ny fiarakodia eto amintsika, izay manafaingana ny fahapotehan’ny lalana. Koa, natsangana ny Tetikasa fampivoarana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Manohana azy ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny Jica. Dingana andrana no hatao, hampiasana ny teknolojia […]
Toe-karena
Fitaterana ana habakabaka: ho avy eto amintsika ny kaompania Arkia
Hanokatra ny lanitr’i Madagasikara tsy ho ela ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Arkia Isaraeli Airlines. Hanao sidina telo eto amintsika izy, hampifandray an’Israely sy Nosy Be. Hisidina ny lanitr’i Madagasikara, manomboka ny 4 desambra izao, ny kaompania israelianina Arkia Isaraeli Airlines. Hampifandray ny firenena israelianina sy Nosy Be mandritra ny sidina […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny masoandro ny fokontany Ambodimanga, kaominina Rantabe, distrika Maroantsetra. Mahatratra 25 KVA ny tanjaky ny milina, mamokatra 33 KWc. Miisa 6 500 ny mponina misitraka azy, ahitana tokantrano 1 511. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Nidina ho 2 000 Ar ny kilaon’ny […]
Ambatondrazaka: Nahazo alalana ny mpitrandraka madinika any Antandrokomby
Natolotry ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny 22 novambra teo, ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ ny mpitrandraka madinika ho an’ny vondrona Firaisankina (Amea) any Antandrokomby, kaominina Ambohitsilaozana Ambatondrazaka, izay mitrandraka vatosoa quartz rose. Nambaran’ny minisitra fa mila fahazoan-dalana (permis) avy amin’ny minisitera ny fitrandrahana harena an-kibon’ […]
Famokarana: Sahy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny vehivavy
Lasa fitaratra ho an’ny rehetra ny fikambanam-behivavy Miavotra, afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Ifantohany ny fambolen-kazo, ny fambolena ekolojika, sns. Mandray andraikitra ny vehivavy manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo mananaina sy ny fanatsarana ny fomba famokarana, indrindra ny fambolena, foto-piveloman’ny tontolo ambanivohitra. Singanina amin’izany, […]




