Hiroso amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), natao sonia ny 22 novambra teo. Anisan’ny voarakitry ny fiaraha-miasa ny fampiofanana ny mpikambana ao amin’ny Fimpima. Ifantohana manokana ny lafiny fambolen-kazo ala […]
Toe-karena
Fiovan’ny toetr’andro : Miova ny fomba fambolem-bary
Tsy maintsy atrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa izany ny tantsaha any amin’ny fokontany Avaradrano, kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka. Misongadina ny zava-bitan’ny fikambanana Avotra, mampihatra ny fambolem-bary afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanteraka izany noho ny tohana nomen’ny Conservation international (CI), nampiofana ny fomba fambolem-bary manara-penitra. Anisan’ny nisitraka izany Raholdina Maxime, […]
Lasa orinasa afrikanina : Niova anarana ho Yas ny Telma
Maro ny vitan’ny orinasa Telma nandritra ny 20 taona nisiany. Niova anarana ho Yas, sady lasa orinasa hita any amin’ny firenena afrikanina efatra hafa. Nitondra fivoarana maro sy haingana teo amin’ ny tontolon’ny fifandraisan-davitra teto Madagasikara ny orinasa Telma, ao anatin’ny vondrona Axian, hatramin’ ny naha orinasa tsy miankina azy […]
Fitantanana orinasa: Antoky ny fahombiazana ny fanavaozana
Fampandrosoana. Miantoka ny fampiroboroboana ny orinasa ny fanavaozana ny fahaiza-mitantana. Nitondra ny anjara birikiny sy nizara ny traikefany momba izany, nandritra ny Andron’ny mpitantana olombelona (Journée des ressources humaines), ny faran’ny herinandro, tao Toamasina, i Dr Fabrice Lollia. Nasongadiny manokana ny fahaiza-mitantana ny angovo sy ny fihetsehampo. Foto-kevitra sy toe-tsaina […]
Sofia sy Diana: fampandrosoana ny fambolena sy fiompiana
Nidina ifotony tany amin’ny faritra Sofia sy Diana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, hanatsarana ny famokarana. Miisa 200 ny tantsaha nozaraina kojakoja sy fitaovam-pamokarana tany Kalandy, distrika Mandritsara, faritra Sofia. Mirefy 250 ha ny lemaka voatondraka afaka hamokarana any an-toerana. Nojeren’ny minisitra ny toerana […]




