Ho afaka hihodina amin’izay ny orinasa Base Toliara, mitrandraka fasimainty. Hitondra vahaolana amin’ny fahantrana sy fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana. Tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 28 novambra teo, fa nofoanana ny fepetra mampihantona ny asan’ny Base Toliara. Tsiahivina fa, nanomboka ny taona 2019 no naaton’ny fanjakana ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Nahatratra 4 023 kilao ny masomboly vary an-drano sy 2 088 kilao vary an-tanety, nomena ny tantsaha miisa 563 any amin’ny kaominina miisa 8 any Amoron’i Mania. Nisy koa zezika NPK 8 445 kilao sy zezika biolojika 42 225 kilao. Hiatrehana ny taom-pamokarana 2024-2025 ireo kojakojam-pambolena ireo avy amin’ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Bad ara-bola […]
Toekarena : antoky ny fampandrosoana ny tanora
Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana tanora maro eto amin’ny firenena izay antoky ny fampandrosoana. Nosokafana ny talata teo, « ny Herinandro ara-toekarena Aemaja », andiany fahatelo tetsy amin’ny gara Soarano. Nilaza ny filohan’ny fikambanana ara-toekarena malagasy sy japoney (Aemaja), Ratodisoa Andonirina, fa “mila atao laharam-pahamehana ireo fandaharanasa ho an’ny fampiroboroboana ny […]
Tetikasa GCF-CI : famerenana maitso ny tontolo any Alaotra
Voakasiky ny tetikasa ny GCF-CI ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ). Tanjona ny hamerenana ny tontolo ho maitso sy ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina. Manohana ny Tetikasa Tontolo voajanahary lovainjafy ny Tahirimbola maitso maneran-tany (GCF). Miara-mitantana azy ny Conservation international (CI) sy ny Birao BNCCREDD+* avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy […]
Toekarena manga : hikatona ny 1 desambra ny jono makamba
Mikatona manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2024 misasakalina ka hatramin’ny 28 febroary 2025 misasakalina ny jono makamba na tsitsika manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Noho izany, antsoina hanambara ireo tahiry ananany manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 9 desambra, eny amin’ny biraom-paritry ny jono sy ny toekarena manga akaiky azy, ireo […]




