Toe-karena

Fako plastika: manimba ny famokarana sy ny nofontany

Singa iray anisan’ny ma­motika ny nofontany ny fako plastika. Sakana amin’ny fa­mokarana izy noho ireo akora misy poizina mandrafitra azy. “Mihena tsikelikely ny tahan’ny fambolena ary tonga hatramin’ny tsy famokaran’ny tany intsony ny fiparitahan’ny fako plastika”, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Dr Salama Jean Claude, […]

Fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria : hiara-hiasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Vita sonia omaly, tetsy Anko­rondrano, ny fifanekena eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa ma­haritra ho an’ny indostria. Hi­ara-dia sy hifanome tanana ary hifanohana ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahafahan’ ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahany mi­asa amin’ny Fanjakana […]

Madagascar Airlines: Betsaka ireo sidina niato

Niteraka resabe teo amin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny raharaha “Madagascar Airlines” izay voatery nampiato sidina maromaro. Nitondra fanazavana tao amin’ny tambajotra sosialy mahakasika izany ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania, Rakotomanga Rinah. Nambarany fa mbola vitsy ireo fiaramanidina niasa taorian’ny fisokafan’ny sisintanin’i Mada­gasikara, nandritra izay roa taona sy tapany izay. […]

Fananganana trano manara-penitra : manomboka amin’ny 40 tapitrisa Ar

Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisany maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. Tsy mora ny manangana trano manaraka ny fepetra ara-dalàna. Betsaka amin’ireo mpanangana no tsy manaraka ny fenitra takin’ny fanamboarana. Vokany, tsy maharitra ny fotodrafitrasa. Ankehitriny, manomboka amin’ny 40 […]

Fitantanan-draharaha: niofana ny mpiasan’ny kaominina

Miisa 504 ny mpiasan’ny kaominina nahazo fiofanana avy any amin’ny faritra miisa dimy: Sava, Analamanga, Me­nabe, Atsinanana ary Analanjirofo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ivontoeram-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Nanohana ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Antokondraharaha ho […]