Harena sy namana ny tantely. “Andao hamonjy ny tantely ho an’ny famokarana manaja ireo bibikely mpamindra vony, mpampivady zava-maniry”. Io ny teny filamatra nentin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny tantely, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Tanjona […]
Toe-karena
Fampiroboroboana ny fiompiana : hanampy betsaka ny tantsaha ny sehatry ny nomerika
Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny famokarana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Betsaka ny vokatsoa azo avy aminy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fizarana traikefa, ny famantarana ny tantsaha iray ary ny asa famokarana ataony. Nanao sonia fiaraha-miasa telo sosona, nandritra ny fikaonandoha momba ny fampiroboroboana ny ny haitao ara-kajy mirindra, […]
Tetikasa Lead : hanomezana kojakojan-jiro tsara sy manara-penitra
Miparitaka manerana ny tsena ny varotra jiro sy ny kojakoja mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy an-tanàn-dehibe ihany, fa saika manerana ny Nosy. Tsy manara-penitra sy ratsy kalitao ny ankamaroan’izy ireny, hany ka mora simba sady tsy mateza. Manoloana izany, misy ny tetikasa Lead*, iraisan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny loharanon-karena stratejika […]
Tontolo ianana : nihena ny fanimbana ireo faritra arovana
“Nahitana fihenana ny fahapotehan’ny ala sy ny fanaovana tevy ala teto Madagasikara nandritra ny valanaretina covid-19. Nitombo kosa izany tany amin’ireo faritra ivelan’ny faritra arovana”, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny World Resources Institute (WRI), nandritra ny atrikasa nataony, teny Antaninarenina, omaly. Nisy ny fanadihadiana niarahan’ny WRI sy ny Madagascar […]
Seranan’i Nosy Be : andrana amin’ny aro loza
Nanao hetsika andrana fampiharana ny fepetra atao rehefa sendra misy ny loza ny Ravinala airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Nosy Be, ny 15 mey teo. Nanampy nanatanteraka izany i Vincent Robert, teknisiana amin’ny vonjy taitra any amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, any Paris. Anisan’ny natao ny fampiharana ny fihetsika sy […]