Fanapahan-kevitra samirery ny an’ny UCTU hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be amin’ny 1 aogositra. Handray fepetra ny tomponandraiki-panjakana amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Modian’ny Fiombonan’ ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) tsy fantatra ny lalàna. Voalaza anefa fa tsy maintsy mampahafantatra ny rafitra mahefa ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mpitatitra […]
Toe-karena
Tetikasa « Tady » : hotanterahina mandritra ny 4 taona
Tontosa omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny lanonana fampahafantarana sy fanombohana ny tetikasa “Tady”. Tanjon’ny tetikasa ny hampandraisana anjara ny diaspora malagasy amin’ny fiainam-pirenena. Ny governemanta frantsay, amin’ny alalan’ny « Agence française de développement » (AFD) no mamatsy vola ny tetikasa. Haharitra 4 taona ity tetikasa ity, ary ny andrim-panjakana maro ny hiara-hiasa amin’ny fanatontosana […]
Olan’ny famatsian-drano: mahasarika mpanifa ny sinibe
Anisan’ny varotra mandeha amin’izao vanim-potoana izao ny tsenan’ny sinibe fitehirizan-drano. Tato anatin’ny volana vitsy, betsaka ireo mpanjifa azy ireny. Indrindra ireo olona mipetraka amin’ny toerana saro-drano na koa tsy tongan’ny rano intsony. Mitady azy ireo koa ireo olona mipetraka eny amin’ny toerana avo sy manodidina an’Antananarivo ary ireo avy any […]
Famatsiana: mivarotra vary eto an-toerana ny SPM
Mitohy ny famatsiana vary ataon’ny State procurement of Madagascar (SPM) eny amin’ireo tsena eto amin’ny faritra Analamanga. Famatsiana entina hanampiana ireo tokantrano samihafa eto an-drenivohitra. Araka izany, vary tsinjo 30t isan’andro no aterina eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara. Fokontany manodidina ny 30 sy mpivarotra 80 isa hisitraka izany isan’andro, araka ny […]
JIC : nampivondrona matihanina isan-karazany
Nankalazaina ny zoma sy sabotsy teo, tany amin’ny faritra Itasy, kaominina Miarinarivo, ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa (JIC), tamin’ity taona ity. Nanamarika ireo roa andro ireo ny fifanakalozana amin’ireo mpandraharaha matihanina sy ny mpitantsoroka ary ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika. Teo ihany koa ireo famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra […]