Mampikaikaika ny mponina ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny vidin’entana eny an-tsena. Ny volana mey teo, nahatratra 11,8% ny fisondrotam-bidim-piainana eto amintsika, hoy ny INSTAT. Niteraka resabe, tamin’ny herinandro, ny tahan’ny fahantrana sy ny vidim-piainana eto Madagasikara. Nanazava ny tale jeneralin’ny Institut nationale de la statistique (INSTAT), […]
Toe-karena
Fanondranana henan’omby: tsy manaiky ny mpiompy
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 6 jolay teo, ny hanatontosana fakana ny hevitry ny besinimaro mikasika ny fanondranana henan’omby any ivelany. Natao ny 6 ka hatramin’ny 10 jolay teo izany tany amin’ny distrika Ambovombe, faritra Androy, sy Taolagnaro, faritra Anosy. Izany no natao dia noho ny fitsanganan’ny orinasa tsy miankina, […]
“Tetikasa WeLight”: nahazo jiro avy amin’ny masoandro ny any Antsenavolo
Notokanana ny 22 jolay teo ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Antsenavolo, distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Nahatanteraka azy ny tetikasa “WeLight”, izay tanàna faha-55 nametrahana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Nosy. Vao nahazo famatsiam-bola mitentina 19 tapitrsia euros avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola […]
Taxi-be: hiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana
Mitohy ny fidangan’ny vidim-piainana. Iharan’izany ny fitaterana izay mampiakatra ny saran-dalany koa ankehitriny. Mizaka ny vokany ny mpanjifa tsy misy mpiaro. Nanaraka ihany koa ! Nampiakatra 5% ny saran-dalany ny kaoperativa mankany amin’ny faritra, nanomboka ny sabotsy 22 jolay teo. Tsy niandry ela, fa nanara-davahana koa ny taxi-be eto an-drenivohitra, mivondrona […]
Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody
Fotoana manomboka mampirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mirefy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, […]