Anisan’ny hetsika ankalazana ny faha-20 taona ny Orange Madagasikara ny lalao «Tombola Tafabe». Natolotra, omaly, ireo lokabe ka azon -dRatompoarisoa Antoinette ny fiara vaovao Renault Duster. Faharoa, moto scooter vaovao, lasan-dRasolondray Roger avy any Ambilobe. Fahatelo, lelavola (Orange money) mitentina 5 tapitrisa Ar ho an-dRalalaoharison José Marino, monina eto Antananarivo. […]
Toe-karena
Fifaninanana robotika: tafakatra famaranana i Madagasikara
Sambany i Madagasikara no tafakatra hanao ny dingan’ny famaranana fifaninanana robotika « Panafrican robotics competition » (Parc engineers league), laharana faharoa taorian’i Nizeria. Famaranana hatao any Sénégal, ny 23-31 jolay 2023. Manohana ny ekipa malagasy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny fampiroboroboana ny niomerika ary ny paositra (MNDPT). Homen-danja […]
Minisitry ny Angovo: tokony tsy hisy intsony ny delestazy afaka tapa-bolana
Anisan’ny fepetra raisin’ny fanjakana hanatrarana ny fe-potoana telo herinandro ny fampitomboana ho 100 ny isan’ ny fiarabe mpitatitra solika “fuel”. Hampitomboana koa ny tahirin-tsolika. Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa, mikasika ny tenin’ny filoham-pirenena hanafoana ny delestazy ao anatin’ny 3 herinandro. Nitombo be ny […]
Olobe Toliara : fangatahana amin’ny governora sy ny prefe ny hanokafana ny Base
Mivoatra hatrany ny zava-misy! Nanao fanambarana iombonana ireo olobe sy ny mpitan-kazomanga avy any amin’ny kaominina miisa dimy, voakasiky ny tetikasa Base Toliara, napetraka any amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny Prefe Toliara. Anisan’ny voarakitra ao anaty fanambarana fa manana ny olona ilaina sy ny harena voajanahary entina hampandrosoana […]
Fandaharanasa CLIM-INVEST: tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny sehatra tsy miankina
Hisitraka tohana amin’ny alalan’ny fandaharanasa CLIM-INVEST ny sehatra tsy miankina. Voafaritra nandritra ny fivoriana niarahany ny rafitra iombonana ho an’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nivory ny herinandro lasa teo ny vondron’ny sehatra tsy miankina. Voasolo tena tao avokoa ireo sampandraharaha samihafa. Tanjona ny hanamafisana ny filana sy ny fanohanana ny sehatra tsy […]