Manana ho avy mamiratra ny fihariana anaty rano. Sahirana ny lafiny jono noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanjonoana miompampana, hoy ny FAO. “Antony mahatonga antsika mirona amin’ny fiompiana trondro. Natao izany mba hahafahantsika mamorona asa sy mampiakatra ny fampidiram-bola isan-tokantrano”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]
Toe-karena
Ladoany : eto amintsika ny SG an’ny OMD
Tonga eto Madagasikara, ny talata 5 mey teo, i Kunio Mikuriya, sekretera jeneraly (SG) ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny haban-tseranana (OMD). Mifanandrify amin’izao fahatongavany izao ny fikaonandoha iraisam-pirenena mikasika ny ladoany, andiany faha-37 ny 8-10 mey izao, ny fivorian’ny filankevitry ny governora ny 11-13 mey, samy atao eto Antananarivo avokoa. […]
CCIFM-ADIM : hamafisina ny fifanakalozana ara-barotra
Hanatsara ny lafiny toekarena sy ny fiainan’ny mponina andavanandro atsy amin’ny Nosy Mayotte sy eto Madagasikara. Ireo ny napetraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Chambre de commerce et de l’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Agence de développement et d’innovation de Mayotte (ADIM). Natao, omaly, teny Androhibe ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tanjona […]
OCP Maroc-Fofifa : « Fambolen-kazo eny ifotony »
Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Maraoka, amin’ny alalan’ny Fondation OCP Maroc sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) amin’ny alalan’ny Fofifa sy ny CAFPA Antsirabe. Misy ny tetikasa vaovao, « Fambolen-kazo eny ifotony », iarahan’ny roa tonta, natomboka ny 9 mey teo, mahakasika faritra telo (Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Diana). Tanjona ny […]
Harena an-kibon’ny tany: hiakatra ho 5% ny tahan’ny hetra aloan’ny mpitrandraka
Anisan’ny zava-baovao hita ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny fampiakarana ny tahan’ny hetra aloan’ny mpitrandraka amin’ny fanjakana. Etsy ankilany, nahena ny velaran-tany azon’ny mpandraharaha trandrahina, mba tsy hobodoin’ny olom-bitsy. Dinihin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nanatrika koa ny mpisehatra isan-tsokajiny, […]