Toe-karena

Ankoatra ny lalam-pirenena : hamboarina ny lalana tena ratsy eto an-drenivohitra

Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina. Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ra­tsy, taorian’ny fo­toam–pa­ha­varatra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany ma­nokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana […]

Tetikasa Ambatovy : kaominina 14 nahazo Drafi-pampandrosoana

Nanampy tamin’ny fandrafetana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) miisa 14 ny tetikasa Amba­tovy. Natolotry ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Phillipe Beaulne, teny amin’ny Lapan’ny faritra Atsi­nanana, ny 29 jona teo izany. Misitraka ity PCD ity ny kaominina miisa 14, mandalo ny fantsombe miainga any Ambatovy Mora­manga hatrany […]

Jono tsy ara-dalàna: nahazo sambo haingam-pandeha i Mahajanga

Mahatratra 16 ireo sambo haingam-pandeha ampiasain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hiarovana ny harena an-dranomasina. Hanamafy hatrany ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary voafehin-dalàna ny minisitera. Nahazo sambo haingam-pandeha hanampiana ny sambo Atsantsa ny faritra Boeny. Manana tanjaka 115CVx 2 ity Sambo haingam-pandeha ity raha mirefy […]

Sakafo andavanandro : niakatra 200Ar ny kilaon’ny vary

Lany avokoa ny ankamaroan’ny tahirim-barin’ny mpamboly. Ankehitriny, niakatra 100Ar hatramin’ny 200Ar ny vidim-bary eny an-tsena. Tato anatin’ny andro vitsy, nahitam-piakarana ny vidim-bary eny an-tsena raha oharina ny tamin’ny volana jona. Manodidina ny 200Ar ity fiakarana ity ary voakasik’izany avokoa ireo karazam-bary rehetra eny an-tsena. Eny amin’ny tsenan’Analama­hitsy, vidiana 2 700Ar […]

Itasy sy Bongolava : fanadihadiana mialohan’ ny hizarana fahazoan-dalana hitrandraka

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava, ny volana jona teo, ny Vaomiera misahana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka (PRE) harena an-kibon’ny tany. Nanatanteraka izany ny solontena avy amin’ ny sampandraharaha voaka­sika ao amin’ny minisitera foibe sy ny fitantanana iraisam-paritra Antananarivo (DIRA). Fepetra tsy maintsy raisina mialoha […]