Toe-karena

SNFAR 2 : omen-danja ny fampiofanana ny tantsaha

Nampahafantarina, omaly, ny Paikadim-pirenena ho an’ny fampiofanana fambolena, ny fiompiana ary ny jono eny ambanivohitra (SNFAR). Fa­natsarana ity andiany faharoa ity, satria tamin’ny taona 2012 ny andiany voalohany. Tan­jona ny hametrahana paikadim-pirenena ho an’ny taona 2023-2035. Miompana amin’ny fampiofanana ny tantsaha sy ny mpamokatra ny SNFAR, hanatsarana ny fomba famokarana […]

Tetikasa “Taratra”: nodinihina ny sehatry ny harena ambanin’ ny tany ao Atsimo Andrefana

Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Fivondronamben’ny eveka, ny hahazoan’ny Malagasy tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Tokony hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana vaventy. Novolavolain’ny Fivondronamben’ny eveka ny taona 2009 ny tetikasa “Taratra”. Miasa any amin’ny kaominina miisa fito, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, […]

SERANAn’ehoala: efa nisy sambo 65 niantsona

Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Rio Tinto ny nanamboarana ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Tao anatin’ny tetikasa “Pôle intégré de croissance (Pic)”, na Tendro ifotony hisian’ny fitomboana ara-toekarena. Vita ny taona 2009, entina hivezivezen’ny entana sy ny vokatra ilain’ny faritra sy ny manodidina, sady ho an’ny fizahantany koa. Anisan’izany ny […]

Mari-pankasitrahana B Corp : banky niomerika voalohany ny MVola

Miroborobo ny tolotra ara-bola omen’ny orinasa MVola. Nanamarina izany ny nahazoany loka iraisam-pirenena, entiny hanohizany ny ezaka. Nahazo ny mari-pamantarana iraisam-pirenena B Corp ny orinasa MVola. Izy no mpisehatra amin’ny sehatra ara-bola voalohany nahazo izany eto Madagasikara ary faharoa aty Afrika. Manamarika ny fahamatoran’ny MVola, nanomboka ny niforonany ny taona […]