Toe-karena

Fanamboarana fitaovam-pamokarana: Mpanao asa tanana dimy nisitraka fiofanana

Manome tantsoroka ny Malagasy hatrany ny japoney mba hampiasantsika ireo fitaovam-pambolena moderina sy hampitomboana ny famokarana ka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Natao teny amin’ny Centre de fabrication, de formation et d’application du machinisme et de la mécanisation agricole (CFFA­MMA) Antsirabe ny fam­pio­fanana ireo mpanao asa tanana momba ny fitaovam-pamokarana madinika. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 733,2 tapitrisa dolara (2 933 miliara Ar) ny zaitra naondran’i Madagasikara tany Etazonia, ny taona 2024. Izany hoe, 49,3% amin’ireo vokatra fanondrana izany, manaraka azy ny lavanila 20,7%, ny harena an-kibon’ny tany 10%. Ankehitriny, mametra-panontaniana ho an’ny hoavin’ny Agoa ireo orinasa afakaba. Mikasa hanokatra ny habakabaka ho an’ny Air India […]

Fambolen-kazo 2025: Nahavita ny adidiny ny antoko Maitso

Mandray anjara hatrany amin’ny fanamaitsoana ny tontolo iainana ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara. Nofaranany teny Amba­tomanga, fokontany Beravina, kaominina Soalandy, ny sabotsy teo, ny fambolen-kazo nataony. « Zana-kazo miisa 15 000 novolena sy naparitaka tamina sekoly sy fiangonana ary lalankely samihafa miditra ny tanàna », hoy ny filohan’ny antoko, Alexan­dre Georget. Hazo fihinam-boa, […]