Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 10 sy 11 jolay 2026 izao, ny andiany faharoa amin’ny “Foaran’ny fampindramana sy fampiasam-bola” (Foire aux crédits et investissement). Izay karakarain’ny Assist & Co. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Finance et technologie”. “Tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony isika ary izany indrindra no avoitra amin’ity taona […]
Toe-karena
Famokarana : 70 tapitrisa dolara hanarenana ny Siranala
Andrasana ao anatin’ny telo herinandro ireo vahiny mpampiasa vola hanao fanadihadiana ara-teknika ny orinasa Siranala (Sucrerie industrielle d’Analaiva) ao amin’ny Faritra Menabe. Hetsika tafiditra amin’ny dingana voalohany hanarenana ity orinasa malagasy mpamokatra siramamy ity. Mitentina 70 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ilaina amin’ny dingana voalohany, tetikasam-panarenana ny orinasa. Haharitra 18 ka […]
VAOVAO TAMBATRA
Roa volana taorian’ny fitakiana, mbola tsy mihatra hatramin’izao ny fampakaran-karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME), ho an’ny sehatra tsy miankina. Mitohy ny tolona ho an’ny sehatra tsy miankina, izay anisan’ny mamelona sy manodina ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa takin’ny Fisema ny hampakarana ny SME ho 360 000 Ar. Nogiazana avokoa […]
Seha-pihariana Cacao : Hapetraka ny fenitra iraisam-pirenena
Hojerena ny fomba hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ny famokarana maharitra, ny fanodinam-bokatra ary ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpamokatra. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny firenena mpamokatra Cacao (ICCO), tany Bruxelles, ny herinandro lasa teo. Anisan’ireo nanatrika ny dinika ny delegasionina malagasy, niaraka tamin’ny Filankevitra nasionalin’ny Cacao (Conseil […]
Wednesday Morning Group : Vehivavy 160 vonona handraharaha
Taorian’ny fiofanana momba ny zaitra sy ny fampiasana ny niomerika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG), vonona hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy hampihatra ny fahaiza-manaony tamin’ny fianarana norantoviny ireo vehivavy miisa 160, avy amin’ny andiany Meva. “Natao hampiroboroboana ny fahaleovantenan’ny vehivavy sy hanomezana azy toerana mendrika eo amin’ny fiarahamonina […]




