Toe-karena

Fandaharanasa Asan’AI : Tanora 136 tafiditra miasa amin’ny BPO

Tanora miisa 138 no nahazo mari-pankasitrahana ho an’ny andiany voalohany tamin’ny fandaharanasa Asan’AI. Ankehitriny efa miasa eo amin’ny sehatry ny Business Process Outsourcing (BPO) ny 136. Anisan’izany ny 58 efa manana fifanarahana maharitra na CDI. Maneho ny fahombiazan’ny fandaharanasa amin’ny fampitomboana ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny sehatry ny asa ireo […]

Tetikasa APA: fizarana ny tombontsoa avy amin’ny fototarazo

Natao omaly, ny tatitra momba ny tetikasa Fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana mahakasika ny zavamaniry (APA). Voakasik’izany ireo zavamaniry fanao fanafody, fikarakarana ny vatana sy tarehy. Tetikasa natao ny taona 2018 hatramin’ny 2025 ny APA, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena tany Nagoya. Nilaza ny tale […]

SIAE 2026: hampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka

Manomana ny andiany fa­hadimy amin’ny « Salon international des affaires et de l’entrepreneuriat (SIAE 2026) » ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hetsi­ka mifanandrify amin’ny fankalazana ny Andron’ny indostria aty Afrika (JIA), atao ny 19-22 novambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. Niara-misalahy manolotra ny vina […]

Tetikasa LEAD: mahatratra 2 tapitrisa ny olona nisitraka herinaratra

Tapitra amin’ity volana jona ity ny tetikasa Lead, miompana amin’ny fahazoan’ny rehetra angovo sy herinaratra. Notohanan’ny Banky iraisam-pirenena, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izany. Nahafapo ny vokatra. Natao omaly, ny tomban’ny tetikasa fampiroboroboana ny fahazoana angovo sy ny herinaratra mora (Lead). Votoatiny ny nisintomana ny paikady na­homby […]

Vanim-potoan’ny fety: hentitra ny fanaraha-maso ny tsena

Mijery akaiky ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena ny kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana, avy amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Narahi-maso ny akora sy ny fomba fitahirizana sakafo eny amin’ny Zaimaka-Analakely sy ireo mpivarotra hani-masaka eny Mahamasina. Nentanina hitandro ny fenitra […]