Toe-karena

Ivato sy Nosy Be: 1,23 tapitrisa ireo mpandeha, ny 2024

Tsy mitsaha-mitombo! Niisa 975 000 ny mpandeha teny Ivato ho an’ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023, nahitana fitomboana 14%. Nitotaly 1 230 000 io tarehimarika io, raha miampy ny mpandeha tany Nosy Be. Tsiahivina fa mitantana ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo ny orinasa Ravinala Airports. Nilaza ny tale jeneralin’ny orinasa, Daniel […]

FifanakalozanA ara-barotra: Tafapetraka ny politika ara- barotr’i Madagasikara

Mahaliana ireo firenena mpikambana eo anivon’ny « Organisation mondiale du commerce » (OMC) ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tany Genève, nandritra ny adina natao, ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra. Namelabelatra ireo tahirin-kevitra 79 pejy nanoloana ny OMC sy ireo mpikambana miisa 166 ireo delegasionina malagasy izay […]

Vidin-tsolika iraisam-pirenena: Manodidina ny 60 dolara ny iray barila

Tsy voafaritra mazava ny fiovaovan’ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity, satria manjavozavo ny toe-draharaha maneran-tany amin’ny lafiny politika sy toekarena. Ankehitriny, mahatratra 74 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent*, raha 72 dolara ny WTI*. Maro ny antony mampiovaova ny vidiny, mahatonga ny Vondrona firenena arabo […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 64 ny fiofanana momba ny tetikasa « Jumelage SPS », novatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) vola, nandritra ny roa taona sy tapany. Tetikasa fiofanana ho an’ny teknisianina nifantoka tamin’ny fifehezana ny Fenitra ara-pahasalamana sy fahadiovana (SPS) ny vokatra ara-pamokarana sy ara-tsakafo. Miara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana azy i Frantsa, Italia ary Madagasikara. Nihena […]

Tetikasa Ader : Famatsian-jiro amin’ny herin’ny masoandro

Mandeha ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Toerana roa no nisitraka angovo azo havaozina, jiro azo avy amin’ny herin’ny masoandro, tato anatin’ny herinandro. Tafa­petraka ny 14 feboary 2025 teo, ny fotodrafitrasa any amin’ny kaominina Lokomby, distrika Manakara, faritra Fito­vinany. Tobim-pamokarana he­rinaratra avy amin’ny ma­soandro manana tanjaka 17,28 kWC. Mahatra­tra 68 […]