Toe-karena

Fampandrosoana: Ianteherana ny angovo avy amin’ny masoandro

Vahaolana maharitra! Hafainganina ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eto amintsika. Notanterahina ny 30 avrily teo, teto Anta­nanarivo, ny atrikasa ho fiaraha-mientana ho an’ny vahaolana ho an’ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Fotoana niarahana tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Nasongadin’ny minisitry ny Toekarena sy ny […]

Sehatra tsy miankina : Hiakatra ny karama farany ambany

Andrasana amin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana hamerana ny karama farany ambany andraisana mpiasa (SME) ho an’ny sehatra tsy miankina. Tolona efa nataon’ny sendikan’ny mpiasa hatry ny ela. Efa vitan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa, ary ny asam-panjakana sy hatolotra hodinihina eo amin’ny filankevitry ny mi­nisitra ny didim-panjakana fampiharana (décret d’application) […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitotaly 64 500 m³ ny solika hoentin’ilay sambo Torn Elise, izay ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, rahampitso. Hetsika tohin’ny fanambarana nataon’ny “Groupement pétrolier de Madagascar” (GPM) tamin’ny 9 sy 11 avrily mahakasika ny famatsiana solika eto amin’ny firenena. Miantso ireo mpisehatra samihafa ihany koa ny GPM mba hamaly ny […]

Tetikasa Volobe Amont : Laharam-pahamehana ny mponina

Nizara sy nampahafantatra ny fandrosoan’ny asa ataony sy ny fanampiana entiny hanohanana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny tetikasa Volobe Amont, tamin’ ny herinandro lasa. Nason­gadina ny hetsika roa lehibe vitany : ny fampahafantarana ny fivoaran’ny tetikasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Voaresaka manokana nandritra ny fihaonana tamin’ […]

AGOA : Hatsangana ny tondro­zotram-piaraha-miasa

Rafitra iray mampifamatotra antsika amin’ny Amerikana ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Antony mahatonga ny fanjakana mamolavola ny paikady amin’ny fanavaozana izany. Tanjona ny hahafahan’i Madagasikara mitazona ny tsenam-barotra amerikana izay miantoka ny seha-pihariana toy ny lamba. Nisy ny dinika stratejika natao teny amin’ny CCIA Antaninarenina niarahan’ireo mpisehatra hanokafana […]