Nidina tany an-toerana, nitarika ny asa fanombohana ny fanarenana ny tohodrano Dabara sy ny fotodrafitrasa famatsiandrano sy ny lakandrano, ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, ny herinandro lasa teo. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena ny fahavitan’ity asa ity. Hanomboka ny asa fanarenana any amin’ny lemaka Dabara, faritra Menabe. Anisan’ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mirefy 20 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny lalana avy eo Antanifotsy mankany Sahofika. Ifantohana ny fanajariana sy ny fandravonana ny lalana, ny fanomanana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina. Vita amin’ity herinandro ity, ny fametrahana ny fitaovana vaventy ilaina amin’ny famokarana ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana lalana (vatokely, vovobato, sns). […]
Ranomasimbe Indianina: Natsangana ny Vaomieran’ny Fadintseranana
Tapitra ny 7 aogositra teo, ny fivoriana ara-teknika, teo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Nikarakara azy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Taorian’ny fivoriana, nilaza ny mpiraiki-draharaha (CM) ny COI, Raj Mohabeer, fa manana andraikitra goavana ny sampandraharaha ny fadin-tseranana. Satria izy […]
Tetikasa EAGER : Tohana ho an’ny vehivavy
Hanampy ireo zatovovavy sy vehivavy tanora, 16 ka hatramin’ny 35 taona, hiditra amin’ny sehatry ny asa sy hanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny fandraharahana ny tetikasa “East Africa Girls’ Empowerment and Resilience Program” (Eager). Mandritra izany, omena fiofanana, tantsoroka ary fanohanana izy ireo mba hahafahany mizaka tena ara-toekarena. Tonga tany Taolagnaro ny […]
Sandam-bola : Mihamatanjaka ny Ariary manoloana ireo vola vahiny
Nihanatanjaka ny Ariary (Ar) nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2026. Niakatra ny sandan’ny vola malagasy manoloana ny dolara sy ny euro raha oharina ny tamin’ny faran’ny taona 2025, raha ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Ny 30 jona 2026, nisanda 4 256,4 Ar ny dolara raha 4 579,8 Ar […]





