Toe-karena

MTP: Zana-kazo 2 000 isa voavoly

Natao ny 14 febroary teo, teny Ankadilalana, fokontany Ambatomirahavavy, kaominina Ampanotokana, ny fambolen-kazo 2025 ho an’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny rantsamangaikany. Nitarika ny hetsika ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nandray anjara koa ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Natao izany, araka […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitaky ny hanamafisana ny fiarovana ny indostria eto an-toerana ny Sim manoloana ny tombana vaovao momba ny politika ara-barotra eto Madagasikara, nanomboka ny alarobia teo. Tanjona ny hiarovana ny tsena eto an-toerana manoloana ny fifaninanana. Mbola sarotra ho an’ny indostria ny manondrana ny vokatra any ivelany manoloana ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa […]

Fampandrosoana : Sarotra ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tsenan’ny asa

Ambany ny taham-pahafahan’ny tanora malagasy miditra eo amin’ny tsenan’ny asa na betsaka aza ireo nandrato fianarana noho ireo zokiny teo aloha. 42% ny tahan’ny tanora tsy an’asa eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona, raha ny fanadihadian’ny « Afro­barometer Round 10 » eto Madagasikara. Ambony io taha io raha oharina tamin’ireo zoky […]

Harena an-kibon’ny tany : Antoky ny rano sy ny angovo ny ala

Nanatanteraka ny adidy fambolen-kazo 2024-2025 ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), omaly. Teny Tsiakarana, fokontany Antanimenabe, kaominina Masindray, ny toerana nanatontosana izany, notarihin’ny minisitra Rakotomalalala Herindrainy Olivier. Lohahevitra noraisina amin’izany « ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». Miisa 5 000 ny zana-kazo novolena, tamin’ny velaran-tany […]