Hanangana andrimpanjakana mahomby kokoa, mangarahara kokoa ary akaiky ny vahoaka. Ireo no tanjon’ireo tetikasa roa ao anatin’ny fandaharanasa “Tous redevables”. Iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina, hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ireo tetikasa roa. Hanohana ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny sehatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana fitantanana ny […]
Toe-karena
Fandaharanasa: Défis Mahatratra 13 500 ha ny lemaka voajary
Nanomboka ny taona 2018 ny fandaharanasa Défis, ary ny taona 2024 ny andiany faharoa, Défis+, izay hifarana amin’ny taona 2030. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Mitentina 150,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny FIDA ny 97 tapitrisa dolara, raha 53,9 tapitrisa dolara avy amin’ny […]
Hasina Youth Bootcamp: manova ny hevitra ho lasa tetikasa maharitra
Vonona hanohana ny tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antaninarenina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka ahafahan’izy ireo manova hevitra ho lasa tetikasa […]
Lalana Taolagnaro-Vangaindrano: ho vita tanteraka ny RN12A amin’ny avrily 2028
Efa vita godirao tanteraka ny ampahan-dalana RN12A, miainga eo Taolagnaro hatrany Ebakika, mirefy 45 km. Kasaina ho vita tanteraka ny ambiny hatrany Vangaindrano. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny volana avrily 2028 ity lalana ity. Mitotaly 232 km ny lalam-pirenena RN12A, miainga eo Taolagnaro hatrany Vangaindrano, ahitana fiampitana baka miisa 12. […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 160 taona ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ankehitriny. Fifandraisana maharitra niteraka tombontsoa mivantana ara-toekarena ho antsika. Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny tsena amerikanina ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahazo tombontsoa manokana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireo vokatra […]




