Toe-karena

Fandaharanasa Sanoi: Nahomby ny tetikasa Mifampibaby

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sanoi ny fanatsarana ny famokarana sy ny manodidina ny sakafo. Tanjona ny hisian’ny fiovam-pihetsika, toy ny nataon’ny tetikasa Mifampibaby. Niasa tany amin’ny faritra telo (Ana­lamanga, Bongolava, Itasy) ny tetikasa Mi­fa­mpibaby, tohanan’ny Fan­daharanasa fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Nilaza Ra­soa­miaramanana Reine, mpa­ndrindra ny tetikasa ao amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampahafantatra ny Sampandraharahan’ny ladoany fa misy ny tranga fisolokiana ataon’ny olona sasany. Misoloky mitondra ny anaran’ny Fadintse­ranana izy ireny any amin’ny tambajotra sosialy, milaza fa mikarakara lavanty fiara, ary mangataka 1 tapitrisa Ar. Tsy tompon’antoka amin’izany ny ladoany, ary tsy misy izany sara-pisoratana anarana izany. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ireo […]

Tontolo iainana maitso: Antoky ny toekarena manga maharitra

Mifampiankina ny tontolo an-tanety sy ny tontolo an-dranomasina noho izy ireo samy marefo manoloana ny fiovao­van’ny toetr’andro. Miantoka ny toekerana manga ny ala sy ny rano satria manampy amin’ny fihariana sy ny fanjonoana. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga namboly hazo teny amin’ny kaominina Bongatsara, distrika atsimondrano, […]

Fihaonamben’ireo vehivavy mpandraharaha : Hojerena ny fihariana maharitra sy matanjaka

Ambohipihaonan’ireo vehivavy mpandraharaha maneran-tany i Madagasikara, mandritra ny fihaonamben’ny « Comité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales » (FCEM). Hifanakalo hevitra ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena ireo mpisehatra samihafa Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily, ny fihaonamben’ny « Co­mité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales » […]