Atao ny 5 hatramin’ny 7 aogositra izao eto Antananarivo, Madagasikara, ny fivoriana ara-teknika, eo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Ifantohana ny hampivondronana ny angom-baovao mahakasika ny asan’ny Faditseranana amin’ny fitaterana an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indiana izay miandraikitra ny fidirana sy ny […]
Toe-karena
Fier Mada andiany faha-27: Lalana hampisokatra ny mpamokatra
Miditra amin’ny andiany faha-27 ity Fier Mada nisokatra omaly etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ary haharitra dimy andro. Mpampiranty, mpivarotra, tantsaha no mameno ireo tranoheva miisa 350 mahery hita eny an-toerana. Misongadina amin’ny ankapobeny ny fihariana eny ambanivohitra, izany hoe, ny asa tanana, vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny […]
Fifehezana ny vidim-piainana : Nakarina ho 12,5% ny tahan-janabola fototra
Nampiakatra ho 12,5% ny tahan-janabola fototra (taux directeur) ny eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), raha toa ka 12 % izany ny telovolana faharoa teo. Fanapahan-kevitra noraisiny taorian’ny fivoriana nataon’ny Komity misahana ny politika ara-bola, ny talata 4 aogositra teo. Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2026, nihamafy ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena RN7 eo Sakaraha hatrany Andranovory. Trongisina ny arabe ratsy, efa misy ny fandrarahana godirao. Eo Mahaboboka (PK820) hatreo Vineta (PK846) ny dingana voalohany, ataon’ny orinasa La Précision. Ao anatin’izany ny fandrarahana godirao sosona fototra, sy ny sosona fototra ambony. Amin’ny ankapobeny, 20% ny tahan’ny fandrosoan’ny […]
Fampandrosoana ny lohamenaka: Mitaky rafitra iombonan’ireo mpisehatra
Mbola ambany ny vidin’ny lohamenaka ao amin’ny faritra Analanjirofo. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (GEHEM), ny herinandro teo, tany an-toerana. Mbola maro ny fanamby atrehana hampiroboroboana ny lalam-pihariana ao Analanjirofo. Mitotongana ny vidim-bokatra ka mampihena ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Mila hatsaraina ihany koa ny […]





