Manana valatahaka ahitana fambolena sy fiompiana, ny Sekolim-pirenena ho manamboninahitra lefitra (ENSOA) Antsirabe. Teknika tsotra, mora ampiasaina ary tena mahomby sady azo ampiharina na aiza na aiza no atao. Santionany ny fanodinana ny tain’omby be ronono ho lasa angovo biogazy, ka hihena hatramin’ny 60% ny kitay andrahoana ny sakafon’ny miaramila […]
Toe-karena
Banky iraisam-pirenena : 200 tapitrisa dolara hanarenana ny fitaterana
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalamby mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mirefy 371 km. Ny fanamboarana seranan-tsambo manakaiky ny renivohitra mba hanamorana ny fivezivezen’ny entana. Eo koa ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Mahajanga sy Toliara. Ao anatin’ny […]
Sava : Fahazoan-dalana hanondrana lavanila
Asa vitan’ny fitondrana Fanavaozana tato anatin’ny fotoana fohy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny fanafoanana ny ampihimamba. Nilaza ny minisitra Andriamadison Haingotiana, omaly, tany Antalaha, fa mahatratra 324 ny fahazoan-dalana nozaraina, ankehitriny, raha 90 monja izany, nandritra ny fitondrana teo aloha. Notsorin’ny filohan’ny kaoperativan’ny mpamboly lavanila, fa « tsy […]
Omnis : Tsy maintsy amidy eto an-toerana ny solika any Tsimiroro
Rafi-panjakana miahy ny fitrandrahana akoranafo stratejika ny Omnis. Teren’ny fehezan-dalàna mifehy ny solika, hamatsy ny tsena anatiny ny kaompania, toy ny Madagascar Oil, mitrandraka any Tsimiroro. Nampahatsiahy ny fehezan-dalàna 96-018 ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo stratejika (Omnis), ny tale jeneraly, ny général de Brigade Andriantaolo Tsilavonjato Honoré, omaly. Voalaza […]
Karaman’ny sehatra tsy miankina: Tompon-teny farany ny fanjakana
Andrasana ny 1 mey fara-fahatarany ny didim-panjakana hametra ny karama farany ambany ho an’ny fandraisana mpiasa (SME) eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Tsy mbola voafaritra ny fiakarana, tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitra nifanarahan’ireo mpisehatra voakasika. Mbola naverina nodinihina ilay fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny dinika natao tamin’ny volana febroary. […]




