Toe-karena

Tranoben’ny tantsaha : miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro hanatsarana ny fambolena

Miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana ny fikambanana sy ny von­dron’ny tantsaha maro, na ireo mahaleo tena amin’ny asa fambolena. Araka ny fanamarihan’ny Tranoben’ny tantsaha azy, misy ireo fikambanana sy vondrona ireo, nefa tsy ampy ny rotsak’orana eto amin’ny Nosy na mitanila ny fiavian’ny orana, misy faritra mahazo rano ny […]

Institut Pasteur-LHAE : fitaovana vaovao hitiliana ny kalitaon’ ny rano

Mamatsy vola ny tetikasa Rise (Recherche, innovation, surveillance et évaluation) ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana (Usaid). Manatanteraka azy ny sampana laboratoara mi­sahana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny tontolo iainana (LHAE) ao amin’ny Institut Pasteur de Madagasikara (IPM). Tanjona ny hahatsara ny kalitaon’ny rano fisotro, ka hitiliana sy hanaraha-maso ny […]

Tsy misy ny marimaritra iraisana: hanolotra fifanarahana vaovao amin’ny QMM ny fanjakana

Ho tapitra amin’ny 18 febroary ho avy izao ny fe-potoana fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny QMM. Tsy nisy ny marimaritra iraisana ho an’ny tohiny, ka hanolotra fifanarahana vaovao mihitsy ny fanjakana malagasy. Natao ny taona 1998 ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Namoa­hana ny lalàna 98-002 ity […]

Chine-Madagasikara : nifampiresahana manokana ny varotra lavanila

Nifampiresaka ny 6 janoary 2023 teo teny Ambohidahy, ny misahana ny fandraharahana ao amin’ny masoivoho si­noa eto Madagasikara, Atoa Zhang Wei sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny minisitry ny Indostria, varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Ed­gard. Navoitran’ny minisitra tamin’io fihaonana io ny mam­palaza an’i Madagasi­kara amin’ny vokatra lavanila, ka mila hanaovana tolotra […]

Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao

Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozava­vy, […]