Nanokatra ny fankalazana ny faha-20 taona, tao amin’ny fiangonana FJKM Atsimon’i Mahamasina, ny sekoly ambony ESTIIM*, najoro ny 10 oktobra 2002. Tamin’ny 21 desambra 2022 teo koa, namoaka ny Andiany « Manjaka », miisa 141 io sekoly io, manomboka amin’ireo manana mari-pahaizana DTS ka hatramin’ny Master 2. Mamaly ny tinady miompana amin’ny […]
Toe-karena
Faritra Menabe: homen-danja ireo hazo sarobidy
Maro ny karazan-kazo sarobidy averina amin’ny laoniny any amin’ny faritra Menabe, na hazo tsotra na ala honko. Anisan’ny haverina homen-danja ireo hazo Allée des baobabs manana ny mampiavaka azy, ny hazo anato, efa sarotra hita amin’izao fotoana, sy ny hafa mampiavaka ny faritra Menabe. Misy ny hetsika fitaizana ara-batana ho […]
Fiompiana : zana-trondro 3.000 narotsaka teny Ambohimarina
Fampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana eto Madagasikara. Tonga nandrotsaka zana-trondro miisa 3000 mahery, tao amin’ny fokontany Ambohimarina- Ambohidratrimo, faritra Analamanga, ny fitantanana misahana ny fampamokarana ny aty rano ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO) ary […]
Star – « Prix jeunes espoirs »: Atosika ny mpandraharaha madinika
Tafiditra avy hatrany afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Jeunes espoirs» ireo efatra voalohany teto Madagasikara, nifaninana tamin’ny «Prix Pierre Castel», andiany fahadimy. Nisolo tena an’i Madagasikara ny orinasa Ny Ako, taorian’ny fifantenana. Manatontosa ny « Prix Jeunes espoirs » ny vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Anton’ny fifantenana ny fandraisana […]
INSI: malalaka ny tsenan’ny informatika
Nanao hetsika, fifaninanana manokana, « Hackaton » ho an’ny mpianatra ao aminy, ny sekolim-pirenena ambony momba ny informatika (INSI) eny Ambanidia, ny 20 sy ny 21 desambra teo. Voakasik’ izany ny mpianatra ao amin’ny foibe fianaran’asa. Nilaza Andriamiadana Tantely Antoine, mpampianatra, fa natao ity fifaninanana ity, entina hampivelatra ny saina sy hampiroboroboana […]