Manomboka mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2024. Niakatra io antontanisa io raha oharina ny tamin’ny dimy volana voalohan’ny taona 2023 izay 63 078. Na izany aza, mbola vitsy izany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 […]
Toe-karena
Fanondranana Letisia: Nampidi-bola 54,384 miliara Ar
Fahombiazana! Nahatratra hatrany amin’ny 54,384 miliara Ar ny vola azo tamin’ny alalan’ireo letisia 16 860,3 taonina naondran’i Madagasikara, ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsara ny vokatra tamin’ny taon-dasa, izay namidy 3 225,6 Ar ny kilao, raha toa ka 2 905,9 Ar izany ny taona 2022, […]
Fitaterana ana habakabaka : tafaverina amin’ny IATA ny Madagascar Airlines
Tafaverina ho mpikambana feno amin’ny International Air Transport Association (IATA) ny kaompania malagasy, Madagascar Airlines. Ny 11 marsa lasa teo no efa nanambara io fiverenana io ny Madagascar Airlines ka nanamafy izany ny IATA ny fiandohan’ity herinandro ity. Mpikambana feno eo anivon’ny IATA ankehitriny ny Madagascar Airlines rehefa naato nanomboka […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisokatra manomboka ny 15 jolay ho avy izao, ny toeram-pandanjana fiara vaventy mitatitra entana, mampiasa ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Eny Ampondrolava, kaominina Belalanda ny toerana misy azy. Iharan’ny fanaraha-maso avokoa ny fiara mitondra entana mira na mihoatra ny 3,5 taonina. Hatao ny 11 sy 12 jolay ny andrana teknika eny […]
Mananjary: misy mangalatra ny vy ao amin’ny seranan-tsambo
Eo am-panavaozana ny fotodrafitrasan’ny orinasa IMI teo aloha ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any amin’ny seranan-tsambon’i Mananjary. Misedra olana anefa, ankehitriny, satria misy mangalatra ny vy ao an-toerana. Mitaraina, noho izany, ny orinasa sy ny tomponandraikitry ny seranan-tsambo, ary ireo Ampanjaka any Mananjary, ny hijeren’ny fitondram-panjakana […]




