Toe-karena

BNI Madagascar ; manohana ireo vehivavy mpandraharaha

Naneho ny fahavononany hanohana ny vehivavy mpandraharaha sy ny fampandrosoana maharitra eto Mada­gasikara ny BNI Madagascar, nandritra ny hetsika fahadimy «COMESA Federation of Women in Business Trade Fair (COMFWB) », ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izay, namelabelatra ny tontolon’ny fampiasam-bola maitso sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny tale jeneralin’ny BNI Madagascar, Alexandre […]

Taom-piotazana lavanila: hentitra ny fanaraha-maso ny vokatra

Hanara-maso ny vokatra lavanila ireo tomponandraikitra isan-tokony mandritra ny fotoana hiotazana sy hamarotana ny vokatra amin’ity taom-piotazana lavanila 2024 ity, any amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo manampahefana any an-toerana sy ireo tale isan-tsokajiny voakasiky ny vokatra lavanila, ny herinandro teo. Nofaritana, nandritra izany, ny toerana […]

Inspektera 31 mianadahy: mampihodina ny orinasa

Niditra an-kianja, omaly, teny By Pass, misy ny milina One District One Factory (Odof) mpamokatra paty Alo Food Factory ireo inspektera 31 nahavita fianianana tamin’ny herinandro teo. Nohamarinin’izy ireo avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalan’ny orinasa hiodina sy hamokatra. Ity farany izay ao anatin’ny andrana ara-teknika. Antony nanaovana ny fidinana ifotony […]

Tsena Kanadianina: mila tanjaka avy amin’ireo mpandraharaha

Vokatra bio sy tsara kalitao ary mamaly ny fenitra iraisam-pirenena no tokony hiditra eo amin’ny tsena kanadianana. Mitaky fandavantena ho an’ireo Malagasy mpandraharaha hampahomby sy hampaharitra ny fiaraha-miasa izany. Mitaky fandavantena, fanarahana fenitra ary taratasy fanamarinana ny maha bio ny fidirana eo amin’ny tsena kanadianina. Tokony ho hita ao anatin’izay […]

VAOVAO TAMBATRA

Miompana amin’ny fampidirana herinaratra any ambanivohitra ny tetikasa Angovo. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Melaky, Menabe, miampy ny distrikan’i Betioky, Ampanihy ary Toliara II. Misy koa ny tetikasa Ranomafana, mahakasika ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano. Miisa 203 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, ny […]