Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky Société Générale (SG) sy ny trano fiantohana Aro, antsoina hoe Soavà. Fifanarahana mifantoka amin’ny fiantohana ny mpanjifan’ny banky SG Madagasikara amin’ny lafiny fitsaboana. Afaka misitraka ity tolotra ity avokoa ny tsirairay, ny ankohonany, fa indrindra koa ny mpiasa any amin’ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ny […]
Toe-karena
BNI Madagascar: manohana ny fandraharahana maitso
Miara-misalahy amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana maitso ny BNI Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toa ny WWF, Pnud sy mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa BNI Lovainjafy. « Tanjona ny hisarihana ny mpandraharaha samihafa hikajy ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana noho ireto farany mbola miantoka tanteraka ny akora ampiasaina eo amin’ny […]
Rajoelina Mialy: « Mahavita zavatra tsara ny vehivavy »
Nisokatra omaly sy mitohy anio, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Tsenabe iraisam-pirenena “COMFWB Trade Fair & Conference”. Hetsika hampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy malagasy sy afrikanina. Miaraka mikarakara ny tsenam-paritra afrikana Comesa ny Federasiona vehivavy mpandraharaha ao amin’ny Comesa (COMFWB) sy ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). Andiany fahadimy ity […]
Lalana RN12 Amboarina ny tetezan’i Faraony
Mandroso ny fanarenana vonjimaika ny lalam-pirenena RN 12, nanomboka ny 17 jona lasa teo, tarihin’ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Fitovinany. Manomboka eo amin’ny tetezan’i Faraony ny asa, mankany Manakara ary hitohy hatrany Vohipeno. Nohamafisina tamin’ny Béton armé ny arabe sy ny sisiny, hiarovana ny lalana tsy ho mora […]
Siansa momba ny ita sy ny serasera (Sic): sehatra miara-dalana amin’ny tontolon’ny asa
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny olombelona, eo amin’ny tontolon’ny asa, ny siansa momba ny ita sy ny serasera (Science de l’information et de la communication, Sic). Antony nitondrana fanazavana bebe kokoa mahakasika izany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Nifarimbona ny Agence Peak sy ny fikambanana Arisera […]




