Toe-karena

Fondation Uchida : mpianatra 5 nahazo vatsim-pianarana

Toy ny fanaony isan-taona, nanome vatsim-pianarana mi­tentina 1 tapitrisa Ar avy ho an’ny mpianatra miisa 5 ny fikambanana Fondation Uchida, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa Dahio, ny 3 jolay teo. Mpianatra sampana Fanorenana sy asa vaventy (BTP) eny amin’ny sekoly ambony polyteknika ESPA Antananarivo, IST Antananarivo, ISPM Antananarivo, ESP-DIE Antsiranana ary Oniversite […]

Fandaharanasa Formaprod : maherin’ny 53 000 ny asa niforona

Tapitra ny fandaharanasa Formaprod. Maherin’ny 105 000 ny tanora nahazo fiofanana, ary mihoatra ny 53 000 ny asa vaovao niforona. Fahombiazana. Natsan­gana ny taona 2014 ny Fandaharanasa fano­fanana ho mpamokatra eny ambanivohitra (Formaprod), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Amin’izao fiafaran’ny fandaharanasa izao, nahafa-po ny vokatra, satria […]

Vaovao tambatra

Hampiasaina ao an-tokantrano ny 40% ny trosa ataon’ny Malagasy. Mahatratra 46,3% io taha io any ambanivohitra raha manodidina ny 26,3% izany an-tanàn-dehibe. 11,5% ny tahan’ny fitrosana hananganana orinasa, raha 11,4% ho an’ny antony fahasalamana. Vinavinaina hampiditra 37 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Madagasikara ny fidirantsika ao amin’ny ZLECAF. Heverina fa […]

Fandraharahana : manodidina ny 11% ny tahan’ny fampidiran-ketra

Mbola ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Ma­dagasikara. Manodidina ny 11% izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 18% any amin’ireo firenena afrikanina. «Betsaka ireo mpandraharaha mbola misehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna ka anisan’ny mahatonga izao taha ambany izao», hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Ramon­javelo Valery, […]