Toe-karena

Fetim-pirenena: olona 4 000 nilahatra manohana ny Base Toliara

Vonona hampihodina ny toekarena hiadiana amin’ny fahantrana ny mponina manohana ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Nanao filaharambe izy ireo nandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena tany an-toerana. Anisan’ny nampiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona teo, tany Toliara I, ny filaharambe nataon’ny olona manohana ny Base […]

Fampandrosoana – indostria: miampy 31 ireo inspektera hanara-maso

Handray ny andraikiny avy hatrany ireo Inspektera indostrialy 31 mianadahy nahavita fianianana tetsy amin’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany, Anosy, ny alatsinainy teo. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy hanara-maso ny fandikan-dalàna ary vonona hiantoka ny fampandrosoana maharitra an’izany ireto tomponandraikitra vaovao ireto. “Hanoro hevitra sy hanao tantsoroka amin’ny mpandraharaha […]

Maroantsetra: hahazo herinaratra ny any Antongil

Hisitraka herinaratra avy amin’ny tohodrano ny amin’ny helodranon’Antogil, distrika Maroantsetra. Manohana azy ny fanjakana alemà amin’ny alalan’ny KFW. Natao sonia ny 18 jona teo ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny tomponandraikitry ny Kreditanstalt für Wiede­raufbau (KFW), famatsiam-bola ho an’ny fanarenana alemà sy ny fandaharanasa GIZ Perer. Mitentina 18 […]

Andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE): manamafy ny fiaraha-miasany ny JCI sy ny Orange

Manavao ny fiaraha-miasany ny Orange Madagascar sy ny Jeune chambre Interna­tionale (JCI), tamin’ny alalan’ ny fifanaovan-tsonia nataon’ny tale jeneralin’ny Orange Ma­da­gascar, Frédéric De­bord, sy ny filoha nasionalin’ny JCI, Ratsimbazafy Sandra, omaly. Miompana amin’ny fandrai­sana andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE) sy ny tetikasa maharitra ho an’ny tanora malagasy omen’ny […]