Toe-karena

Tombola « Devenez multimillionnaires »: Azon’i Lalarison Ricardo ny 25 tapitrisa Ar

Lelavola mitentina 25 000 000Ar no loka azon’i Lalarison Ricardo Cassidi, nandritra ny lalao tombola « Devenez multimillionnaires » nokarakarain’ny Cos­mos Madagascar, ny 3 de­sambra 2024 ka hatramin’ny 13 janoary 2025. « Bon d’achat » mitentina 5 tapitrisa Ar kosa ny loka ho an’ny laharana faharoa raha 3 tapitrisa Ar kosa izany ho an’ny laharana fahatelo, izay samy […]

indostria : Hatsangana ny vaomiera mpanatanteraka

Hatao eto Madagasikara ny volana aogositra ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ ny filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc. Mifanindry an-dalana amin’izay ny fanamarihana ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria, andiany faha-8. Tapaka nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, sy ny solotenan’ny minisiteran’ny […]

Saran-dalana taxi-be: Nahomby ny tsy fampiasana lelavola

Tsara ny vokatra azo tamin’ny andrana tsy nikirakirana lelavola nandoavana ny saran-dalana tamin’ny taxi-be 147 D. Nisy ny tetikasa nampiasana ny teknolojia niomerika ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana tamin’ireo fiara fitaterana. Nahomby ny tetikasa nataon’ny Airtel Money sy ny orinasa CPP System, tsy ampiasana lelavola andoavana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay. Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’­Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 […]

Toekarena ; Nitotongana ny vokatra naondran’ i Madagasikara

Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Na­nampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fa­non­dranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny […]