Toe-karena

Madagasikara-Comores : Sidina roa isan-kerinandro

Notanterahin’i Madagascar Airlines, omaly, tany Maha­janga ny sidina hanokafana ny fiverenan’ny fitaterana ana habakabaka mampitohy an’i Madagasikara sy Moroni. Indroa isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania. Hanamora ny fivezivezen’ny mpandeha sy hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-pizahantany eo amin’i Madagasikara sy ny Union des Comores izy ity. « Ho antoky ny fampandrosoana […]

Tondrozotra maharitry ny fambolena: Tsara ny vokatra azo tao anatin’ny efa-bolana

Maherin’ny 30 000 ireo mpamokatra nisitraka tohana mivantana tamin’ny alalan’ny fandaharanasa maharitra napetraky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Tsara ny vokatra tao anatin’ny efa-bolana. Nahazo fanofanana sy fampitaovana ny tantsaha, hanohanana ny famokarany ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Paikady napetraky ny minisitera ny hanakaikezana bebe kokoa ny mpamokatra, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahana mandritra ny telo taona ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetr’andro », vatsian’ny Norad vola. Tetikasa hanohana ny vondrom-piarahamonina sy ny fikambanana eny ifotony. Tanjona ny hitantana ny harena an-dranomasina, amin’ny fanamafisana ny LMMA, ny fisafoana ary ny fanaraha-maso ny jono. Handray anjara […]

Halatra tany : Tompon’antoka ireo mpanao taratasy hosoka

Anisan’ireo fanamby apetraky ny fanjakana ny hamaha ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Mazàna tambajotra mpanao hosoka, mampiasa antontan-taratasy sandoka, mivarotra tany tsy ara-dalàna, mamoaka taratasy fananan-tany tsy ara-dalàna, ireo tranga samihafa misy. Misongadina ao anatin’ireo tranga niseho tao anatin’ny volana vitsy ireo disadisa samihafa. Matetika miainga avy amin’ny fampivarotana tany […]

Startimes: Mitombo ny tolotra vita malagasy

Mitohy ny fanomezan’ny orinasa Startimes fahafaham-po ny mpanjifa. Tolotra vaovao indray no homeny azy ireo, ary nitsinjovina manokana ny Malagasy manerana ny Nosy. Ani­san’izany ny horonantsary mitohy (série), mitondra ny lohateny hoe Famato. Handeha isan’andro, isaky ny amin’ny 6 ora hariva amin’ny Startimes manomboka amin’ny 12 aogositra ho avy izao. […]