Notanterahina teo amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano, ny 12 sy 13 jona lasa teo, ny andiany fahafolo amin’ny Forum de l’orientation et de l’employabilité (FOE 10). Noresahina manokana nandritra izany ny lohahevitra “Fanovana ara-niomerika sy Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA): ahoana no hampifanarahana ny fiofanana sy ny fahaiza-manao amin’ny filan’ny tsenan’asa ?”. Nasongadina […]
Toe-karena
« Ampela mandraharaha » : Fanofanana sy fanohanana ho an’ny fahombiazana
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa “Ampela mandraharaha”. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha mba hahafahan’izy ireo mampivelatra ny asa maharitra sy mandray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nambaran’ny mpikarakara fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahombiazan’ny fandraharahana ny fanofanana. “Tsy afaka […]
Fiarovana ny mpanjifa : Charcuterie 7 caddy nogiazana
Hentitra ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) manoloana ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo azo amin’ny hena voahodina teto Antananarivo sy Antsirabe. Vokany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo kaomisera sy tomponandraikitra tamin’ireo toeram-pivarotana lehibe (Grandes surfaces) manerana ny Nosy. Vokany, nahatratra 7 “caddy” ny “charcuterie” nogiazana sy atao fitiliana, tamina toeram-pivarotana […]
“Ranty Vokatra 2026” : Hahazo sehatra ireo orinasa tena madinika (MTPME)
Hotanterahina ny 24 sy 25 jona, ao Anjeva Gara, distrikan’Antananarivo Avaradrano, ny hetsika “Ranty Vokatra”, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Tanjona ny hanasongadina ny vokatra avy eto an-toerana sy hanamafisana ny fahafahan’ny orinasa tena madinika sy madinika ary salantsalany (MTPME) manitatra ny fiaraha-miasa […]
« Foara Fibre Yas »: Internet maimaimpoana mandritra ny 2 volana
Hatao ny 18 sy ny 19 jona 2026 ho avy izao ny « Foara Fibre Yas » eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina. Nohazavain’ny tomponandraikitry ny fanentanana ao amin’ny orinasa Yas, Ramatoa Rakotoanosy Anja Nomena, omaly, fa tanjona ny fanakaikezana bebe kokoa ny mpanjifa. Anisan’ny tena hampahafantarina ny mpanjifa amin’ireo fotoana ireo ny mahakasika […]




