Hotanterahina ao Ambatondrazaka, ny 6 ka hatramin’ny 8 aogositra, ny hetsika ara-toekarena “Foire économique Manandratra”, andiany voalohany. Hisongadina sy hampahafantarina mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny harena voajanahary, ny fahaiza-manao samihafa ary ny fampiasam-bola ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Atao hanohanana sy hampandrosoana ara-toekarena ao an-toerana ihany koa […]
Toe-karena
Africa Energy Forum (AEF) 2026 : Manamafy ny fiaraha-miasa stratejika ny CGHV
Laharam-pahamehan’ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV) ny dinika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny angovo sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ho an’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ny tetikasa. Nandray anjara tamin’ny Africa Energy Forum (AEF) 2026, natao tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Fihaonambe eo amin’ny […]
Lafo ny fanafarana entana : Mampitondra faisana ny ady any Ukraine
Mampikaikaika ny mpandraharaha mpanafatra entana ny fidangan’ny saran’izany, ankehitriny. Anisan’ny mampitondra faisana ny ady lavareny any Ukraine. Mitarazoka ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny ranomasina mainty. Mikorontana ny fahatongavan’ny entana aty Afrika sy Madagasikara. Nilaza ny loharanom-baovao fa miteraka fatiantoka lehibe ny filalaovan’ny Okrenianina, tarihin’ny Zelensky, ny ady. Paikady iray entiny […]
VAOVAO TAMBATRA
30% amin’ireo milina indostrialy “One District One Factory” (Odof) napetraka manerana ny Nosy ihany no mihodina. Tsy feno ireo milina, ao ireo manana olana ara-pitantanana. Misy ihany koa ireo napetraka amin’ny toerana tsy mifanaraka amin’ny asam-pamokarana sahaza azy. Ankehitriny, mametraka paikady sy politika vaovao entina hanarenana izany ny fanjakana. Misehatra […]
Orinasa afakaba : “Agrément” miisa 141 hosintomina
Hentitra. Mahatratra 141 ny sata mifehy maha orinasa afakaba ho sintomina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nivoitra izany nandritra ny tomban’ezaka nataon’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Nirina Nampoina, omaly, tetsy Anosy. “Maro ny fepetra tsy voahajan’ireo orinasa toy ny tsy fanarahan-dalàna, tsy […]




