Toe-karena

Jirama : Hisy milina hafa 30 MW hihodina

Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, mahakasika ny fahatapahan-jiro sy ny fidinan’ny tanjaky ny herinaratra. Tsy delestazy mifandimby no ampiharina fa noho ny fiovaovan’ny famokarana vokatry ny vanim-potoana maintany. Simba ny fitaovana mitsinjara herinaratra, ny tariby, ny vata fanapahana herinaratra, ny vata mpanova herinaratra, sns. […]

30 taona ny Tany Meva: Fikambanana malagasy voalohany misehatra amin’ny tontolo iainana

Malagasy mpamatsy vola ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. 30 taona niaraha-niasa mivantana amin’ny mponina, ho fiarovana ny tontolo mananaina eto Madagasikara. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva. Fikambanana malagasy mamatsy vola ny tetikasa volavolaina sy aroson’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nosantarina, omaly, […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa apetraka ny tetezamby vonjimaika (Pont Bailey), eo amin’ny tetezana Mangapaika, lalam-pirenena RN4, PK505. Simba tanteraka ilay tetezana, nodomin’ny fiarabe, izay efa nesorina tao ambany tetezana. Mandeha ara-potoana ny asa eny an-toerana, ny fitaovana mandrafitra ny tetezamby, hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa efa misy ny fivilian-dalana, mandra-pahavita ny […]

Fanovana niomerika : Miara-miasa ny Orange sy ny Mesupres

Finiavana iraisana ny hanafainganana ny fanovana niomerika ho fitaovana iray hanavaozana ny fampianarana sy ny fikarohana eto Madagasikara. Vita sonia, ny alatsinainy teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Ndaohialy Manda Vy sy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye. Fifanaraham-piaraha-miasa mifantoka amina […]