Toe-karena

Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoari­vo Atsinanana

Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analan­jirofo. Mila fitantanana ma­homby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsi­na­nana”, hoy ny […]

USAID Ranowash-MEAH: nahazo rano fisotro madio ny any Morarano Chrome

Notokanan’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravoka­tra Fidiniavo, sy ny delegasion’ny USAID-Ranowash, ny 6 desambra teo, ny fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio, any Morarano Chrome sy Morarano Gara, distrika Amparafaravola sy Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ranowash tohanan’ny USAID, iarahana amin’ny minisitera MEAH. Miisa 24.000 ny […]

Fiovan’ny toetr’andro: ilaina ny fiantohana ny fambolena

Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, tsy misy fiantohana momba ny fambolena eto Madagasikara, nefa betsaka ny iharan-doza, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny. Tsy vitsy ny tantsaha maniry ny hisian’ny fiantohana momba ny voly, hita izany eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanadihadiana na­taon’ny Banky iraisam-pirenena. Matetika loatra ny tondra-drano, hain-tany […]

Tetikasa Africa Rice: ahazoana vokatra 7t/ha ny vary evoka

Tapitra ny ESA Parboil, na tetikasa fanaovana vary evoka, ao anatin’ny fandaharahasa Africa Rice, tohanan’ny sampana fampandrosoana alemà GIZ ara-bola. Tafakatra hatrany amin’ny 7ha/taonina ny vokatra azo avy amin’ity karazam-bary ity. Nilaza ny lehiben’ny Africa Rice Mada­ga­si­kara, ny Dr. Gau­diose Mujawamariy, fa tanjona ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra, iadiana […]

Fiavian’ny fety: tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny vatomamy

19 andro mialoha ny fiatrehana ny Krismasy, tsy mbola taitra amin’ny fividianana firavaka sy ny vatomamy ny olona. Hita taratra teny amin’ny tsenaben’Analakely izany, omaly. Na izany aza, manomboka miakatra tsikelikely ny vidin-javatra. Tafakatra manodidina ny 20 000 Ar mahery ny vidin’ny vatomamy, raha manodidina ny 15.000 Ar amin’ny andavanandro. Manodidina […]