Toe-karena

Smmec-Madauto : Tolotra hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra

Fanampiana ny mpanjifa! Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa, sampandra­haraha ara-bola madinika, Smmec sy ny Madauto. Tan­jona ny hanomezana tolotra sahaza arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay manerana ny Nosy. Nohamoraina ny fampindramam-bola ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa isan-tsokajiny. Natao ho an’ny rehetra ny tolotra, olon-tsotra, mpandraharaha na orinasa madinika […]

Fandraharahana : Tohana 12,5 tapitrisa dolara ho an’ny vehivavy

Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo […]

Antontanisa sy antontan-kevitra : Misokatra ho an’ny rehetra ny « PortES »

Ilaina ny fanangonana ny antontanisa sy ny antontan-kevitra mahakasika ny lafiny toekarena sy sosialy. Manamora ny fanapahan-kevitra horaisina ny fananana azy. Mivoatra ny sehatry ny antontam-baovao. Mi­sy ankehitriny ny tahirim-baovao manangona ny antontan-kevitra sy ny antontanisa efa nisy hatramin’izay amin’ny lafiny toekarena sy sosialy eto amintsika. Ha­nampy ny tsirairay amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Misokatra ny fisoratana anarana handrafetana ny ekipa malagasy ho an’ny “First Global Cha­llenge 2025”. Fifaninanana iraisam-pirenena mamory tanora malagasy 13 ka hatramin’ny 17 taona, mbola mpianatra manam-pahaizana mahakasika ny robotika. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto amitsika ny fisian’ny hetsika toy izao. Manomboka amin’ny 34 106 ka hatramin’ny […]

Faritra mando: Tototry ny fasika ny farihin’i Mandroseza

Natokana ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando ny 2 febroary. Omaly 3 febroary kosa ny fotoana nankalazana izany tamin’ny fom­ba ofisialy, teny amin’ny farihin’i Mandroseza. Nitarika izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Lohahevitra noraisina « Ny faritra mando dia fitsinjovana […]