Vita fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina tamin’ny taona 2017 ny hamatsiany vola ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13, ampahany eo Ambovombe hatrany Taolagnaro. Vita izany, ankehitriny, hitondra fiovana sy fampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy. Mitotaly 493 km ny lalam-pirenena RN13 eo Ihosy hatrany Taolagnaro. Nanaiky hamatsy vola ny fanarenana, hatao godirao, ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mirefy 379 km ny lalana eo Ihosy sy Ambovombe, ao anatin’ny lalam-pirenena RN13. Mitotaly 493 km izany hatrany Taolagnaro, efa vita godirao ny hatreo Ambovombe. Namatsy vola ny fanamboarana ny ampahany Ambovombe-Taolagnaro, mirefy 114 km, ny Vondrona eoropeanina (UE), izay ho vita tanteraka amin’ity taona ity. Tsy mbola fantatra kosa […]
Minisitra Dr. Ramiarison : Laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toekarena
Anisan’ireo nitondra fanazavana momba ny fepetra sy ny laharam-pahamehan’ny governemanta, nanoloana ny solombavabahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Notsipihiny fa tsy maintsy hatao ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny Malagasy sy ny fitoniana ara-toekarena. Fanampin’izany, hafainganina ny famoahana ireo famatsiam-bola sy ny […]
Angovo: Hamatsy solika antsika i Nizeria
Nitondra zava-baovao ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika (PRRM), ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy 8 jona teo. Nambarany fa zava-dehibe ny dia natao tany Nizeria, satria nisy ny fifanarahana, izay nankatoavin’ny fanjakana nizeriana amin’ny hamatsiana solika an’i Madagasikara. Hatao tsy ho ela ny […]
Fihariana Bambou : Nahazo famatsiam-bola 2 tapitrisa dolara avy amin’ny CIDCA
Azo hahodina ho vokatra maro samihafa ny volotsangana. Misy ny tetikasa entina hampiroboroboana ity lalam-pihariana ity. Tanjona ny hitondra fampandrosoana maitso sady hampihenana ny fahantrana. Nampahafantarina omaly, ny tetikasa hampiroboroboana ny lalam-pihariana Volontsangana (Bambou). Mitentina 2 tapitrisa dolara ny tetikasa, avy amin’ny Antokondraharaha sinoa misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ny […]




