Novokarin’ny Tahirim-bola ampiasaina ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny vovonana niomerika « M e tohy » ao anatin’ny tetikasa “Haratonaina”. Tanjona ny hanomezan-danja ireo mpisitraka efa mamokatra, hanamorana ny fampiatiana azy ireo amin’ny rohim-pihariana ara-barotra. Hita avy hatrany ao anatin’ny vovonana ireo vokatra (fambolena, fiompiana, taozavatra, sns) rehetra isam-paritra misy ny tetikasa. Sehatra […]
Toe-karena
Scamming: Mamotika ny toekarem-pirenena
Tranga mahazo vahana maneran-tany ny “Scamming”. Fisolokiana atao amin’ny alalan’ny internet na fifandraisan-davitra mba hangalana vola na angon-drakitra aman’olona. “Mamotika ny toekarena ny firoboroboan’izany. Antony nahatonga an’i Madagasikara nanangana ny Task Force miady amin’izany”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny biraom-pirenena miady amin’ ny famarinana olombelona (BNLTEH), Ramahandrisoa Éric. Anatin’ny fandinihana […]
Fitaterana ana habakabaka : Miverina ny sidina Antananarivo-Comores
Hanomboka ny 30 jolay ny sidina voalohany mampitohy ny firenena roa tonta, taorian’ny fiatona aman-taona. Hisy sidina roa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady. Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagascar Airlines sy ny AFG Bank Madagascar ho fanamarihana ny fiverenan’ny sidina ana habakabaka Antananarivo–Mahajanga–Moroni. Hetsika natao teo anatrehan’ny […]
Vokatra avy amin’ny voatabia voahodina : Mihatra ny haba fanampiny 40%
Miaro ny famokarana sy ny fanodinana eto an-toerana. Izay no tanjon’ny Fahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) amin’ireo vokatra avy amin’ny voatabia voahodina hafarana. Mihatra mandritra ny efa-taona ny haba fanampiny ho an’ireo vokatra voalaza. Nihatra nanomboka ny 1 jolay 2026 ny haba fanampiny 40% (prix Caf) mandritra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga any Toamasina, nanomboka ny 23 jolay teo, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena (BM). Hanadihady ny zava-misy mahakasika ny famokarana herinaratra any an-toerana ny anton-diany. Anisan’ny hotsidihiny ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha solika an’ny Jirama, ny toby mandeha solika sy amin’ny herin’ny masoandro an’ny Enelec. Hojerena koa ny asa fanarenana ny […]





