Dingana lehibe eo amin’ny politikam-pampandrosoana ny indostria eto Madagasikara ny fananganana ny Fonds national pour le développement industriel (FNDI S.A.). Natsangana araka ny fepetra voarakitry ny Lalàna laharana faha-2017-047 momba ny Fampandrosoana ny indostria izy io. Rafitra natao hanohana ara-teknika sy ara-bola ireo indostria malagasy. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ny […]
Toe-karena
Seranam-piaramanidina: Matotra ny fiaraha-miasa amin’i Seychelles
Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny delegasionina avy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy Seychelles. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ifanakalozana traikefa hampiroboroboana ny seranam-piaramanidina izany. Natao ny 20 hatramin’ny 22 jolay teo, nijerena ny lanjan’ny asa atao, ny lafiny teknika sy stratejika, fototry ny fitantanana ny seranam-piaramanidina ny fihaonana. Toy, ny […]
Fahatapahan-jiro sy antony hafa: Mampiahiahy ny Jirama ireo tranga tato aho ato
Maro ny tranga niseho tato ho ato manodidina ny famatsian-jiro eto Antananarivo. Mampiahiahy ny fisehony, ka voatery manao fanadihadiana lalina iombonana ny mpitantana ny Jirama sy ny mpitandro filaminana. Nitondra fanazavana, omaly tolakandro, ny tale jeneralin’ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Andriamalala Richard sy ireo mpitarika sendika ao amin’ny orinasa. Noresahina […]
Fifandraisandavitra : Hosantarin’ny Yas ny tanjaka 5.5G
Nampahafantarina ny alakamisy 23 jolay teo ny andrana hampiasana ny teknolojia 5G Advanced (5.5G) eto amintsika. Voalohany mampiasa azy ny orinasa Yas Madagasikara ary fahefatra maneran-tany, aorian’ i Emira Arabo Mitambatra, Maorisy, Afrika Atsimo. Midika izany fa anisan’ny sangany amin’ny tontolon’ny fifandraisandavitra ity orinasa malagasy ity ary miara-miombon’antoka amin’ny Huawei. […]
Maevatanàna : Nogiazana ireo fitaovam-pitrandrahana volamena
Tratran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny 19 jolay teo, ny teratany vahiny nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny fokontany Marotalona, kaominina Antsiafabositra, distrika Maevatanàna. Nogiazana ireo fitaovana fitrandrahana volamena goavana nampiasain’izy ireo. Mampiasa milina vaventy mihitsy ireo mpitrandraka toy ny fandavahana tany (tractopelles), ny fanivanana ny volamena, sns. Miisa telo […]





