Toe-karena

LFR 2026: Nampidinina ho 750 Ar/l ny hetra amin’ny alikaola

Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Teti­bolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit […]

Airtel-Smmec : Fampiasana tambajotra finday miisa 800

Nohavaozina, ny 8 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Business sy ny Orinasa malagasy fitahirizam-bola sy findramam-bola (Smmec). Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fampiasana tambajotra, finday maherin’ny 800, hanamafisana ny serasera anatiny, handrindran’ny Smmec ny asany manerana ny Nosy. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny fampiasana ny niomerika, ny fanatsarana ny kalitaon’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mangapaika, amin’ny lalam-pirenena RN4, PK505, nanomboka ny alahady 7 jona teo. Tsy niandry ela, nisy avy hatrany ny asa maika nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Efa lasa avokoa ireo fiara rehetra voatery nijanona teny an-toerana. Tsiahivina fa ny sabotsy 6 […]

Cnuced-Madagasikara : Hafainganina ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana

Nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny Kaonferansin’ny Firenena mikambana ho an’ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced) ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Raminto Gaëtan. Nasongadiny ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana. Fivoriana teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF). Anisan’ny tena noresahina ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitombo 5 000 Ar avy isaky ny tavoahangy ny vidin’ny entona gazy. Noho ny fampiharana ny tatao 20% avy amin’ny hetra TVA no nahatonga izany, fa tsy mbola noho ny fidangan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Lasa 74 000 Ar ny vidin’ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha 69 000 Ar teo aloha. Lasa […]