Ny 1 desambra 2022, nandray ny fiarakodia 4×4 enina (06) avy amin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra – PACFC (1) ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana (Micc). « Afaka ny sakana ara-materialy. Hanafaingana ny fanatanterahana ny asa ny fahazoana ireo fitaovaona ireo”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Micc, Rakotondramanana Onja Miandry. […]
Toe-karena
Fotodrafitrasa: mikatso ny ankamaroan’ny eto Toamasina
Lasa misy mpiasa miasa amin’ny alina ny fananganana ny fotodrafitrasa sasany, izay efa niato nandritra ny fotoana maro eto Toamasina, ankehitriny. Tsy fantatra ny antony, na hisy olom-panjakana na mety ho ny filoham-pirenena mihitsy ve no ho avy aty an-toerana ato ho ato? Mikatso ny ankamaroan’ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eto […]
Antontam-baovao informatika: notoloran’ny Usaid tranokala ny ONE
Manampy an’i Madagasikara hitahiry ny zavamananaina tsy manampaharoa i Etazonia. Natolotry ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), omaly 2 desambra ny tranonkala vaovao “Hay natiora” ho an’ ny Birao nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE). Namatsy vola ny fanatanterahana azy ny tetikasa Usaid Hay Tao, niara-niasa tamin’ ny […]
Hetsika SNEAH: sarihina hisehatra amin’ny rano ny tsy miankina
Tsy misitraka rano ny 68%-n’ny Malagasy! Atao etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fantanjahantena Mahamasina, nanomboka omaly hatramin’ny asabotsy 4 desambra 2022 ny andiany voalohany amin’ny Hetsika ho an’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana na « Salon de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène » (Sneah). Mamolavola azy ny […]
Tsiperifery: hatsaraina ny fomba fambolena sy fitangosana azy
Anisan’ny harena voajanahary iray be mpitady any ivelany ny tsiperifery na ny dipoavradia misy rambony, tsy hita raha tsy eto Madagasikara, ka nanao fikarohana hanatsarana azy io ny Fofifa. Nampianatra ny fomba fambolena, indrindra ny fomba fitangosana azy, tsy hanimba ny voly sy tsy hanapahana vatan-kazo handadizany. Fomba taloha mantsy […]