Toe-karena

Fifanakalozam-bola : azo sokafana amin’ny laharana rehetra ny MVola

Niorina ny taona 2010 ny orinasa MVola. Nampaha­fantarina omaly ny tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa, ny «MVola Fô», mifanandrify amin’ny faha-14 taona niorenany. Tolotra sambany misy eo amin’ny lafiny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Mampiavaka azy, azon’ny laharana rehetra (032, 033, 034, 037, 038) atao ny manokatra kaonty MVola. Tsotra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Simba ka miato ny milina G7 ao amin’ny tobin-drano eny Mandroseza I. Misy ny olana ara-teknika ao amin’ny paompy, mitarika fampijanonana ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto an-dRenivohitra izany. Anisany ny eny Faravohitra, Antaninarenina, Behoririka, Ankatso, Anjanahary, Manjakaray, Mahamasina, Ambohimitsimbina, Tanjombato, sns. Nitsidika ny fizotry ny asa fanadiovana ny Lakandranon’i […]

Manakaiky ny mpanjifa : hitety tanàna 5 ny « Camion Tour »

Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny hetsika «Camion tour». Taorian’ny tany Antsirabe, tanàna dimy any amin’ny tapany atsimo indray no handalovana manomboka ny 20 avrily izao. Any Ambositra ny fijanonana voalohany, eo Antampon’ny Vinany. Mitohy any amin’ny Lapan’ny Vahoaka any Ifanadiana, ny 25 avrily. Any amin’ny toera-malalaka Verdure […]

Filoha Rajoelina Andry: « Teratany rwandais no hanarina ny Jirama »

Hanomboka amin’ny volana mey ho avy izao ny fananganana ireo foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manerana ny distrika 47. Hitondra ny traikefany hanarina ny Jirama koa ny mpitantana avy any Rwanda. Tontosa, omaly, tao amin’ ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana hananganana ny foibem-pamokarana herinaratra avy […]

Ady amin’ny jiolahin-tsambo : miara-miasa ny tafika sinoa sy ny Malagasy

Tonga nivahiny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo andian-tsambo sinoa mpiady mpiaro faha-45 miisa telo, ny alarobia lasa teo. Anton’izany ny fijerena manokana ny lafiny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny jiolahin-tsambo… Nandray ireto tomponandraikitra nitarika ireto andian-tsambo sinoa ireto ny solontenam-panjakana niaraka tamin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara. Tafiditra […]