Toe-karena

Fampandrosoana ny toekarena : vonona hiara-hiasa amin’ i Madagasikara ny FMI

Hanohana sy hanampy ny firenena malagasy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Vonona hanatanteraka ny fandaharanasan’ ny FMI i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny delegasionina malagasy mandritra ny fihaonamben’ny lohataona any Washin­gthon DC. Voaresaka manokana ny momba ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny milina « bloc moteurs » manodina herinaratra 75 MW, hanampy ny famokarana herina­ratra eny Ambohimanambola. Hahazo milina manana tanjaka 30 MW ihany koa ny any Toamasina, hanampy ny famokarana any an-toerana. Haverina hiasa indray ireo foibe fandanjana fiara vaventy, eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna, […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Tsy hisy indrafo ho an’ny mpangalatra tany”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, fa ho henjana ny fepetra horaisina momba ny fananan-tany. “Averina amin’ ny Malagasy ny tany… Hie­zaka ny minisitera amin’ireo dingana samihafa ho amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny fananan-tany ka tsy hisy in­drafo ho an’ireo mangalatra tany”, hoy izy, […]

Fenoarivo Atsinanana : hanangana ozinina manodina letisia

Mamokatra letisia ny any Analanjirofo. Manodidina ny 100 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika, nefa ny 20 000 t (20%) ihany no haondrana any ivelany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, Rakotondrazafy Fano, fa anisan’ny hananganana ozinina taninketsa indostrialy koa any Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, […]