Toe-karena

Fambolena: Ilaina ny fampiasana masomboly voafantina

Miakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-bokatra ho an’ireo mampiasa masomboly voafantina sady voamarina. Mahatratra 20 mianadahy ireo mpitsirika sady mpanara-maso, vaovao. Nanao ny fianianany tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, omaly, ireo 20 mianadahy, nahavita fiofanana ho mpitsirika sy mpanara-maso ny masomboly. Avy any amin’ny faritra fito (Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsimo […]

Fiahiana fahasalamana : nanao hetsika ny Mii’zara

Nanao hetsika maimaimpoana ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny EPP Ambohimarina ny fikambanana Mii’zara, omaly. Notan­terahina teny amin’ny CSB II, Ambatolampy Tsimahafotsy izany hetsika ara-pahasalamana izany. Nambaran’ny filoha mitarika ny Mii’zara, Rarivo Fafah, fa natao izao hanampiana ny mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana manoloana ireo aretina […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 4 530 miliara Ar ny fanafarana nataon’ i Madagasikara, nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Nibahana manokana tamin’izany ny akora fototra, izay nahatratra 1 029,2 miliara Ar. Manodidina ny 972 miliara Ar ny angovo, raha 812,7 miliara Ar ireo fitaovana ary 651,5 miliara Ariary ny sakafo nafarana. Miisa 14 550 ireo mpizahatany […]

Fampiroboroboana ny fizahantany : tokony hampitomboina ny mpitaridia matihanina

Singa iray mampihodina ny toekarena ny sehatry ny fizahantany. Ity farany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana izao. Nahita asa avokoa ireo mpitaridia tamin’ny taona 2023, na izany aza, miandrandra ny hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena ny fikamban’ireo mpitaridia mpikambana ao amin’ny Association nationale des guides (ANG) hitohizan’ny fahatongavan’ireo mpizahatany […]

Miaka-bokatra : mihena hatrany amin’ny 2 350 Ar ny kilaom-bary

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika. Mitobaka eny an-tsena, araka izany, ny vary avy any an-toerana ka tsy atahorana ny tahiry. Ankehitriny, tafidina hatrany amin’ny 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry raha mbola 1 630Ar izany teo aloha. Midina ho 2 350Ar ihany koa ny kilaon’ny vary fotsy raha 2 500Ar ny […]