Nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny IORA na ny « Indian Ocean Rim Association » andiany faha-22 natao tao Bangladesh, minisitry ny Raharaham- bahiny misolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, nanomboka ny 22 novambra teo. Nifototra tamin’ny fikatsahana ny tombontsoa iraisan’ ny firenena mikambana ity fihaonambe ity. Anisan’izany ny fampivelarana […]
Toe-karena
“Play Your Airport”: tetikasa mitondra fanavaozana sy azo tanterahina
Nampanao fifaninanana “Play Your Airport” ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eo Ivato sy Nosy Be. Ny 25 novambra teo natao ny famaranana ka nankatoavina nahazo loka izay tetikasa mitondra any amin’ny fanavaozana momba ny fandraharahana ao amin’ny seranam-piaramanidina, fitaratara aty amin’ny ranomasimbe indianina. Nisokatra ho an’ny mpianatra sy […]
Atsimo Atsinanana: foara nitadiavana lalam-barotra
Notontosaina tany Farafangana renivohitra Atsimo Atsinanana ny foara niompana amin’ny toekarena. Tanjona, fampahafantarana ireo vokatra misy ao amin’ny faritra : kafe, sakay, dipoavatra, tantely ; avy amin’ny fiompiana sy ny jono : trondron-dranomamy sy ranomasina, langouste. Ny hita dia efa miroso amin’ny fanodinana ireo fikambanana ka efa misy fonosana tsara ny entana hahafahana […]
RAFPRO-FMFP: sarotra ny mahita mpiasa tena matihanina eto Madagasikara
Mpikambana feno ao amin’ny tambanjotra Rafpro* izao ny FMFP* eto Madagasikara nanomboka tamin’ny marsa 2019. Ny FMFP dia sampana iray mpanofana momba ny sehatrasa maro, indrindra ho an’ny tanora hahatonga azy ho matihanina. Mivory eto an-toerana nanomboka omaly hatramin’ny 1 desambra 2022, « Top management », izao ny tambajotra Rafpro iombonan’ny firenena […]
Jirama: nidina an-dalambe koa ny any Moratsiazo Ampefy
Tsy mety tapitra ny hatezeran’ny mpanjifa sy ny mponina noho ny fahatapahan-jiro, amin’ny tambajotra mamatsy ny any amin’ny tapany an-drefan’Antananarivo, miainga etsy Anosizato. Taorian’ny tany Antanentimboahangy Analavory, ny zoma hariva 25 novambra, nidina an-dalambe koa ny mponina any Moratsiazo avaratr’Ampefy, distrika Soaviandriana, omaly tolakandro. Nobahanan’izy ireo ny lalana, sady nandoro […]