Toe-karena

Fianarantsoa: tsenabem –paritry ny harena an-kibon’ny tany

Natao tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, niarahan’ny faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe, nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny minisitera. Nisy koa ny loabary an-dasy hanatsarana ity sehatra ity. Nampahatsia­hi­vin’ny minisitra Rakoto­malala Herinandrainy Olivier, ny paikady, hampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika, nametrahana ny fari-pitrandrahana […]

Naneho ny tsy fahafaliana: nidina an-dalambe ny tany Antanetimboahangy

Tsy faly ny mponina sy ny mpanjifa manoloana ity tsy fisian’ny herinaratra any amin’ny tapany andrefan’ Anta­­na­narivo ity. Nidina an-dalambe ny mponina any Antanetimboahangy, mandalo ny lalam-pirenena voalohany (RN 1), kaominina Analavory, distrika Miarinarivo, ny zoma 25 novambra teo. Ny fiafaran’ny tolakandro, manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany teo […]

FMFP sy QMM : manome fiofanana ireo tanora marobe tsy an’asa

Miara-miasa ny FMFP* sy ny Rio Tinto QMM any Tao­la­gnaro manofana tanora any amin’ny faritra Anosy hanana fahaiza-manao sy ho matihanina hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra. Kaominina sivy (09) no hiasana miaraka, nampahafantarana ny tetikasa azon’ny tanora 300 trandrahina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny FMFP, Raoe­li­na Andriambololona Pierre […]

Andrefan’Antananarivo: niresaka ny jiro tapaka ny Jirama

Tapaka efa ho herinandro mahery ny tambajotra, miainga eo Anosizato hatrany So­vi­nan­driana. Nidina nitety ireo toerana tsy mbola mahazo herinaratra ny ekipan’ny Ji­ra­ma, notarihin’ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Randrianarisoa Désiré Marcel, omaly, alahady 27 novambra. Nohazavaina ta­min’ny mponina ny antony teknika nahatonga ny voina, ny fizotry ny fanarenana […]