Miaina kely ny mpanjifa ! Manomboka miakatra tsikelikely ny voka-bary eto an-toerana amin’izao tapaky ny avrily izao. Mifanojo amin’ny fiafaran’ny fotoam-pahavaratra, ka miha maina ny lalana any ambanivohitra, toerana tena ahitana ny fambolem-bary. Vokany, mihena tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena, na tsy tena mbola manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra aza. […]
Toe-karena
Banky Iraisam-pirenena : fitsidihina ny asa amin’ny lalana RN7 sy RN10
Manohana ny sehatry ny lalana eto amintsika ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana sy ny fanarenana ny lalana amin’ny RN7 sy RN10. Nijery ifotony any amin’ ny lalam-pirenena RN7 sy ny RN10, ny herinandro lasa teo, ny delegasion’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Vincent Vesin, Soh Alphonse ary Rtoa […]
Toamasina : vary simba sy lo nisy nandoatra
Miteraka resabe ilay raharaha vary simba nisy nandoatra, ao Toamasina, omaly. « Nopotehina sy nariana teny amina toerana fitobiam-pako eny Antsarimasina ny alatsinainy teo ireo vary ireo rehefa voamarina fa simba ka tsy azo hanina intsony. Nangadiana tany izany ka nafangaro tamin’ny fotaka sy nototofana fako », hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nidina ho 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, izany hoe, 800 Ar ny kapoaka. Mahatonga izany ny fiakaran’ny vokatra vakiambiaty tsikelikely, sady manomboka maina ny lalana any ambanivohitra sy ny toerana voka-bary. Nilaza ny mpamongady fa hitohy io fihenan’ny vidim-bary eto an-toerana io. Misokatra ny […]
Ady amin’ny INN : miisa 23 ireo sambo manao fitsirihana
Mandray anjara amin’ny hetsika « Our ocean » atao any Athènes-Grèce i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Anisan’ny lohahevitra voaresaka ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) sy fametrahana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Nilaza ny minisitra Mahatante […]




