Toe-karena

Fanampiana avy amin’ny Sinoa : laharam-pahamehana ireo faritra lasibatry ny rivodoza

Hisy fiatraikany lehibe amin’ny famokarana eto an-toerana, indrindra ho an’ireo tantsaha, ny fanampiana nomen’ny Sinoa. Izy ireo izay efa niara-niasa tamin’i Madagasikara an-taonany maro, indrindra teo amin’ny sehatry ny fambolena. Tontosa tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, ny 9 avrily 2024, ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo fitaovana ireo kaominina any Andapa

Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distri­kan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fa­nolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny […]

Pôle stage Madagascar (PSM): hofanina ny tanora hanana hoavy mamiratra

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Ni­sokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagas­car (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), […]

Fandraharahana: laharana voalohany i Madagasikara

Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Mada­gasi­kara. Mano­didina ny 19,6% ny tahan’ny […]