Mitentina 6 305 miliara Ar ireo kaonty amina banky miisa 521 nogiazan’ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (ARAI), miaraka amina fiara 93, sambo iray, trano sy tany ary fanaka 16, nandritra ny taona 2023. Nisy tamin’ireo fananana no efa natao varotra miaka-bidy ka nahazoana 399 tapitrisa Ar. Nifantoka tamin’ny fanamafisana […]
Toe-karena
MPAMATSY VOLA : handray anjara ny firenena malagasy
Handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny 15 hatramin’ny 20 avrily, any Washington, ny firenena malagasy. Anisan’ny hanatrika ny fivoriana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola miaraka amina delegasionina maro samihafa. Laharam-pahamehana mandritra izany ny fivorian’ireo minisitera isaky ny firenena, indrindra ny minisiteran’ny Fitantanam-bola […]
fambolena sy fiompiana: vonona hampiasa vola eto Madagasikara i Rwanda
Nifanakalo hevitra ho amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny sekreteram-panjakana rwandais misahana ny Fambolena sy ny fiompiana. Voaresaka manokana ny fanitarana sy ny fampitomboana ny vokatry ry zareo rwandais sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Nifampizara traikefa ny minisitry ny Fambolena sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Midina 2 500Ar ny kilaon’ny vary gasy amin’ izao fotoana, raha 2 400Ar ny semence sy ny varin’Ambatolampy. Anatin’ny fararano isika izao ka miaka-bokatra ny eto an-toerana. Midina ihany koa ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina, manaraka ny vanim-potoana toy izao ny vidin’entana isan-taona. Nanomboka omaly ny asa fanotofana vato (remblayage […]
Harena an-kibon’ny tany: nikela sy kobalta ny 33 % ny vokatra aondrana
Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankehitriny, manodidina ny 17 711 dolara ny taonina amin’ny Nikela, araka ny tarehimariky ny tsena iraisam-pirenena, ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), omaly, raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 32 000 dolara izany ny volana janoary 2023. Lohalaharana amin’ny […]




