Toe-karena

Fampandrosoana : Tafatsangana ny vovonana PIE

Misokatra ho an’ny rehetra ny vovonana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny angovo na « Plateforme des investissements en énergie » (PIE). Hamaly mivantana ny politikan’ny angovo eto Madagasikara izany. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD), izay mikendry manokana ny fisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka sy maharitra ary amin’ny vidiny mirary, ity vovonana […]

Tetikasa Purpa : Niakatra ho 4t/ha ny voka-bary

Anisan’ny nahafahana nampiakatra ny voka-bary ny tetikasa Purpa. Manampy ny vary, tohana ifantohany koa ny seha-pihariana famokarana varimbazaha, menaka fihinana, sns. Nanomboka, ny taona 2022, ny tetikasa Pu­rpa*, eo ambany fiahi­an’ny minisiteran’ny Fambol­ena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola. Anisan’ny tanjony ny hanohanana ireo foibe mpikaroka sy mpamokatra […]

Fikirakirana vola niomerika: Miara-miasa ny Airtel money sy ny sekoly Emit

Mitohy sy nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel money sy ny sqekoly ambony mahakasika ny fitantanana sy ny fikarohana teknolojia, Emit Fianarantsoa. Anisan’ ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fahafahan’ny mpi­anatra mampiasa ny vola niomerika, toy ny fandoavana ny saram-pianarana amin’ny Airtel money. Tsotra, haingana sady azo antoka. Tafiditra ao anatin’ny […]

PLFI 2025: laharam-pahamehana ireo fotodrafitrasa goavana

Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram­pirenena sy ny Antenimieran­do­holona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) ho an’ny taona 2025. Mifanojo indrindra amin’ny vinam-pirenena sy fanarenana ireo fotodrafitrasa samihafa mandrafitra ireo fandaharanasa ao anatiny. « Hita taratra ao anatin’ny PLFI ny hanaovana laharam-pahamehana ny olan’ny Jirama », hoy ny solombavambahoaka […]

Famokarana trondro: 307 000 taonina ny filana isan-taona

Mbola ambany ny taham-pamokarana trondro eto amintsika. Ny taona 2023, manodidina ny 30 000 taonina ny vokatra azo raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 307 000 taonina ny filana isan-taona. « Manana tombony amin’ny famokarana trondro i Madagasikara amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa misy eto amin’ny firenena », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]